Nivoaka tamin’ny fahanginany omaly ireo mpampianatra mpikaroka eo anivon’ny lalam-piofanana Simia eny amin’ny oniversiten’Antananarivo izay
misehatra eo anivon’ny zava-maniry, izany hoe, mitady ireo singa simika ao anaty zava-maniry hanatsarana ny fiainana an-davan’andro. Nampahafantatra izy ireo fa ny ravina voarohy hazo dia ahitana ireo singa rehetra mampatanjaka ny vatany toy ny proteinina, menaka, siramamy ary fibra toy ireny hita anaty salady ireny mba hanamora ny fandevonan-kanina. Ahitana koa ireo singa manarina ireo sela simba toy ny vy, ho an’ireo tsy ampy rano. Eo koa ny Zinc sy ny sokay, vitaminina C, Pro vitaminina A, “Anti-occident” toa an’ireo hita anaty voaloboka sy zavoka, izay miaro ny vatana tsy ho mora handairan’aretina. Azo atao fanampin-tsakafo tsara izy ity hiarovana amin’ny tsy hidiran’izao areti-mandoza manafika izao tontolo izao izao, hoy hatrany ny fanazavana. Maka ravina 3 madio alaina mialohan’ny fiposahan’ny masoandro mba hitazomana ireo singa rehetra ao anatiny. Mba hahazoana koa ny taha ambonin’ireo singa ao anatiny. Alona anaty rano mafana 80 hatramin’ny 90◦c mandritry ny 10 ka hatramin’ny 15 minitra mba tsy hahasimba ireo singa ao aminy izany ka sotroina avy eo rehefa avy esorina izay raviny izay, raha ny fanazavana hatrany.
Nivory ihany teny Befelatanana koa omaly ny vaomiera siantifika ivondronan’iroe mpampianatra mpikaroka , manampahaizana manokana momba ny raokandro Malagasy, teknisianina sy mpitsabo maro samihafa teo ambany fiahian’ny ministeran’ny fahasalamana, ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.Tanjona ny fikarohana fanafody manamafy ny hery fiarovana sy hery fanorenana mba hahafahana manohitra ny Coronavirus.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.