Fahasalamana

Mpampianatra mpikaroka Manamafy hery fiarovana ny ravina voarohy hazo


  • Sabotsy 28 Martsa 2020

Nivoaka tamin’ny fahanginany omaly ireo mpampianatra mpikaroka eo anivon’ny lalam-piofanana Simia eny amin’ny oniversiten’Antananarivo izay

 

 

misehatra eo anivon’ny zava-maniry, izany hoe, mitady ireo singa simika ao anaty zava-maniry hanatsarana ny fiainana an-davan’andro. Nampahafantatra izy ireo fa ny ravina voarohy hazo dia ahitana ireo singa rehetra mampatanjaka ny vatany toy ny proteinina, menaka, siramamy ary fibra toy ireny hita anaty salady ireny mba hanamora ny fandevonan-kanina. Ahitana koa ireo singa manarina ireo sela simba toy ny vy, ho an’ireo tsy ampy rano. Eo koa ny Zinc sy ny sokay, vitaminina C, Pro vitaminina A, “Anti-occident” toa an’ireo hita anaty voaloboka sy zavoka, izay miaro ny vatana tsy ho mora handairan’aretina. Azo atao fanampin-tsakafo tsara izy ity hiarovana amin’ny tsy hidiran’izao areti-mandoza manafika izao tontolo izao izao, hoy hatrany ny fanazavana. Maka ravina 3 madio alaina mialohan’ny fiposahan’ny masoandro mba hitazomana ireo singa rehetra ao anatiny. Mba hahazoana koa ny taha ambonin’ireo singa ao anatiny. Alona anaty rano mafana 80 hatramin’ny 90◦c mandritry ny 10 ka hatramin’ny 15 minitra mba tsy hahasimba ireo singa ao aminy izany ka sotroina avy eo rehefa avy esorina izay raviny izay, raha ny fanazavana hatrany.

 

Nivory ihany teny Befelatanana koa omaly ny vaomiera siantifika ivondronan’iroe mpampianatra mpikaroka , manampahaizana manokana momba ny raokandro Malagasy, teknisianina sy mpitsabo maro samihafa teo ambany fiahian’ny ministeran’ny fahasalamana, ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.Tanjona ny fikarohana fanafody manamafy ny hery fiarovana sy hery fanorenana mba hahafahana manohitra ny Coronavirus.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpitsabo nentim-paharazana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

«Mitaraina ho tian’ny olafitry

  • TONGA HATRANY
  • Talata 28 Aprily 2026

MAHAJANGA NY AMBALAVELONA

  • Dokotera mpitsabo biby
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Tena antoky ny fanajarian-tsakafo sy ny fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT