Fahasalamana

Fadimbolana Mety hahafaty raha tratry ny mpisompatra


  • Alakamisy 28 Mey 2020

Rehefa tratry ny jijaka ny vehivavy dia tsy mijanona intsony ny fadimbolany,

 

 

 

misy aza mihafara amin’ny fahafatesana mihitsy izany. Matetika dia vokatry ny tsy fitandremana amin’ny fotoana fitantanana ny fadimbolana no hahafahan’ireo mpisompatra manao izany toy ny fanariana ny salaka efa avy nampiasaina etsy sy eroa, ny rà nitete tao anaty kabone iraisan’ny besinimaro. Andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny fitantanana ny fadimbolana anio alakamisy 28 mey. Heverina fa resaka mahamenatra sy fananana olom-pady ity resaka fadimbolana ity amintsika Malagasy. Noho izany dia tsy misy fijerena manokana ny momba azy na eny anivon’ny tokantrano na eny an-tsekoly sy ny toeram-piasana. Maro ny manahy ny salaka eny amin’ny toerana takotakona tsy azon’andro nefa dia ilaina ny tara-masoandro amin’ny famonoana ireo otrikaretina anaty salaka; tsy vitsy ihany koa ireo vehivavy no mandala fiovana ara-batana mandritry ny fadimbolana ka tsy tsapan’ny manodidina azy izany toe-batany izany. Manoloana izany trangan-javatra izany dia maro ny hetsika nataon’ny fikambanana Jeudi des femmes entrepreneures tohanan’ny ministeran’ny mponina amin’ny fanofanana ireo tovovavy sy ny vehivavy eny anivon’ny fiaraha-monina. Efa nahatratra 600 mahery no nisitraka izany tao amin’ny distrikan’avaradrano nanomboka ny taona 2019 lasa teo. Ankoatra ny fiofanana mikasika ny fikarakarana ny fahadiovana sy ny toe-batana mandritry ny fadimbolana dia nisy koa ny atrikasa fanamboarana salaka vita amin’ny lamba, manaraka ny fenitry ny fahadiovana sady azo sasana tsara niarahana tamin’ireo vehivavy ireo. Iaraha-malala mantsy fa lafo ny salaka fanary sady mety hanimba ny tontolo iainana ihany koa raha tsy voarindra tsara ny fanariana azy. Zava-poana anefa ireny rehetra ireny raha tsy misy ny fifampiresahana eo amin’ny reny sy ny zanany vavy mikasika ity fitantanana ny fadimbolana ity.

 Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT