Tato anatin’ny telo taona dia tsy nitsaha-nitotongana ny fanajana ny zon’ny ankizy teto Madagasikara satria dia nataon’ireo mpanongam-panjakana tsinontsinona ny fanajana ny zon’olombelona sy ny zon’ny ankizy Malagasy, hoy ny GTT iraisam-pirenena manana ny foibeny any Suisse.
Manaitra ny firenena mikambana ity vondrona ity hijery manokana ny zava-misy aty Madagasikara. Ao anatin’ny fivoriana faha-59 rahateo ny komity misahana ny zon’ny ankizy eo anivon’ny Firenena Mikambana ary mandinika ny tranga misy eto Madagasikara. Raha ny tatitra nataon’ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny ankizy na ny Unicef dia nitotongana ny fahafahan’ny zaza malagasy mianatra kanefa efa nisy tetikasa goavana dia ny Fanabeazana ho an’ny rehetra natomboka ary nizotra araka ny tokony ho izy nialoha ny taona 2009. Raha 12% ny tsy fahafahan’ny ankizy mianatra nialoha ny krizy dia tafakatra 20% izany tato anatin’ny roa taona monja, araka ny fanazavan’ny GTT iraisam-pirenena ihany.
Nofoanan’ny mpitondra ihany koa ny fizarana “kits scolaires” izay natao indrindra hanamaivanana ny fahasahiranan’ireo raiamandreny ka hampirisika azy ireo hampiana-janaka. Manginy fotsiny ny fihazonan’ny FAT ireo fiara tsy mataho-dalana miisa 23 natokana ho an’ny sehatry ny fanabeazana. Ankoatra ireo dia notanisain’ny GTT Iraisam-pirenena ihany koa ny fanjavonan’ireo zaza malagasy miisa 1260 tamin’ny taon-dasa. Heverina fa mbola hitombo io tarehimarika io. Raha ny fanazavana dia zary lasa mpiasa an-trano ny 90%-n’ireo zaza ireo, na koa lasibatry ny trafika iraisam-pirenena saingy toa tsy ahitan-teny firy ireo mpitondra. Manoloana ireo rehetra ireo àry dia miantso ny komity iraisam-pirenena misahana ny zon’ny ankizy ny GTT Iraisam-pirenena mba handray fepetra hentitra amin’ny fiarovana ny zon’ireo zaza malagasy ireo satria anisan’ny zo fototra ny fianarana kanefa dia nahena ho 28,9 miliara ariary ny tetibola ho amin’izany ny taona 2010 raha 164,8 miliara ariary tamin’ny 2008.
Nangonin’i SOA
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.