Actualités

Zoma fanampiana Natao ho an’iza marina ?


  • Alakamisy 23 Febroary 2012

Manitikitika ny sain’ny maro ankehitriny ny tsy nanaovana tany amin’ireo faritra nandalovan’ny rivodoza Giovanna ka nahitana traboina aman’alina, ilay Zoma fanampiana fanaon’ny prezidansa.

 Efa azo natomboka tsara ny zoma 17 febroary lasa teo izany, saingy tsy natao. Fa inona no antony ? Sa voatokana ho an’Antananarivo sy ny manodidina ihany io zoma fanampiana io ? Azo natao tsara ny nandefa solontena raha toa ka tena sahirana amin’ny zavatra hafa ny filohan’ny tetezamita. Efa misy rahateo ny mpanolotsaina manokana momba ny sosialy ao Ambohitsorohitra. Ekena mihitsy fa efa nihetsika namonjy sy nanampy ireo traboina ny fitondrana tetezamita tamin’ny alalan’ny praiminisitra Omer Beriziky saingy mba nanantena ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, hanatitra mivantana ny fanampiana ireo vahoaka traboina sy niharan-doza tany amin’iny faritra atsinanan’ny Nosy iny, saingy tena niandry …vasoka e !

Ny vanim-potoana mafy sy manahirana ny vahoaka no tena iandrasan’ny maro ny fanampiana sy fanohanana avy amin’ny fitondram-panjakana, ary tokony hijoroan’ny filoha ho tena raiamandrenin’ny Malagasy rehetra, saingy tsikaritra ihany fa tsy dia rototra tamin’izany ny ao Ambohitsorohitra ao. Tsy azo eritreretina kosa mantsy ny hoe Atoa Andry Rajoelina mihitsy no tsy mazoto hitsidika ireo traboina, fa mety nisy ny andraikitra hafa, makadiry kokoa, tsy maintsy natrehiny. Tena tsy mora ny andraikitr’izany filoham-panjakana izany, saingy mila mahafantatra tsara ny maika sy ny tsy maintsy atao ary ny laharampahamehana tsy azo ihodivirana, rehefa mitantana firenena, fa tsy hoe amin’ny vanim-potoana main-tany be dia mitety Fokontany mitondra vary sy siramamy ary menaka, fa rehefa tena tonga tokoa ny rivodoza dia iraka manokana no alefa mijery ny vahoaka. Nisy mihitsy moa ny gazety mpiseho isan’andro nanoratra fa nahazo tombony tamin’i Andry Rajoelina i Omer Beriziky, tamin’ny fitsidihana sy fanampiana ireo traboina noho ny fandalovan’i Giovanna, ary azo antoka fa tena misy fiantraikany amin’ny lafiny ara-politika izany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT