Actualités

Zokiolona Malagasy Tsinontsinoavin’ny FAT


  • Alakamisy 19 Janoary 2012

Mahatsiaro ireo zokiolona fa miharatsy hatrany tahaka ny fiainan’ny firenena koa ny zava-misy iainan’izy ireo amin’izao fotoana.

 Mandrafitra ny 9%-n’ny vahoaka Malagasy ireo raiamandreny efa voky taona izay mbola afaka mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny firenena. Raha ny zava-misy anefa dia ataon’ny FAT anjorom-bala izy ireo. Tsy mbola misitraka ireo zony araka izay voarakitra ao amin’ny volavolan-dalàna mamaritra izany ny zokiolona. Efa nolanian’ny parlemanta nandritra ny fitondrana Ravalomanana io volavolan-dalàna io ary ny sonian’ny filohan’ny FAT sisa andrasana dia mihatra sy manankery ilay izy. Manoloana izao zava-misy amin’ny firenena izao dia nandefa taratasy misokatra amin’ny filohan’ny andrimpanjakana isanisany ny federasionan’ny fikambanan’ny zokiolona na FIZOMA izay misandrahaka manerana ny Nosy hisarihany ny sain’ny mpitondra fa amin’ny maha raiamandreny azy ireo dia afaka mitondra ny anjara birikiny koa izy ireo amin’ny fanarenana ny firenena. Notsipihin’ny FIZOMA ao anatin’io taratasy misokatra io fa manana olona afaka mitana ny andraikitry ny mpanao lalàna sy mpikarakara ny fifidianana ny zokiolona Malagasy miisa 2 tapitrisa. “Tsy voatery ho mpanambola na koa manana mpanohana fa manana ny hevitra ny raiamandreny. Tsy mpanao politika koa anefa saingy manaraka ny raharaham-pirenena”, hoy hatrany ilay fanambarana. Nofaranany tamin’ny fehezanteny fampieritreretana ity taratasy ity izay milaza fa tokony hodinihana lalina ny sosokeviny satria iankinan’ny hoavin’ireo taranaka.
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT