Miakatra amin’izao fotoana izao ny foza orana eto amintsika. Ireo renirano misy tsikafona no tena ahitana betsaka ity karazana hazandrano hafakely ity.
Misy amin’ireo olona sahirana ara-pivelomana noho izany no lasa mivelona tanteraka amin’ny fakana ity foza orana ity izay hahodina ho lasa provandy raha misy koa ireo mihinana azy hatao laoka mihitsy. 500 Ar ny iray kapoaka ho an’ireo efa voavaofy hamidy eny an-tsena raha 100 Ar kosa ho an’ireo foza orana mbola velona. Araka ny fanadihadiana natao dia misy amin’ireo olona mpaka foza orana no mahazo roa kitapo farafahakeliny isan’andro ary tena manampy azy ireo amin’ny fanatsarana ny fidiram-bolany ao an-tokantranony tokoa izany. Tsara ny mampahatsiahy fa ny taona 2003 no niditra voalohany teto Madagasikara ity foza mora mihanaka sy saro-bonoina ity. Anisan’ny biby tena mpanimba ny voly anefa izy io, indrindra fa ny vary. Tsy misy afa-tsy ny fakana azy ihany noho izany no vahaolana, tahaka izao ataon’ireo fianakaviana sahirana ara-pivelomana izao.
Nangonin’i Patti
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.