Zava-misy eto amin’ny tanŕna

> Mitaraina ny fiarahamonina


  • Zoma 13 Desambra 2013


Tena mampimenomenona ny fiarahamonina eto an-drenivohitra sy ny manodidina mihitsy ny zava-misy iainana andavanandro, indrindra amin’izao ankatoky ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izao. Ny tanàna maloto, ny vanim-potoanan’ny fahavaratra miteraka fiandronan’ny rano eny rehetra eny, ny tsy fandriampahalemana etsy an-daniny. Fa anisan’ny tena mahakivy sy mahatofoka ny besinimaro amin’izao fotoana izao dia ny fahatapahan’ny herinaratra tsy misy farany vokarin’ny orinasa Jiro sy Rano Malagasy amin’ny faritra sy toerana maro ary anisan’ny tena voa mafy amin’izany ny eny amin’ny faritra iva, izay lasibatra mandritra ny ora maro rehefa maizina iny ny andro. Ny tena mahagaga ny mpanjifa izay mahaloa ara-dalàna ny saran’ny herinaratra lany dia tsy misy fanazavana mazava avy amin’ireo tompon’andraikitra mahakasika io fahatapahana io. Fa mampikaika ny maro ihany koa ny fitohanan’ny fifamoivoizana izay maharitra adim-pamantaranandro maro mihitsy amin’ireo toerana be mpifamezivezy.

 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT