Maro ny zava-miafina tsy mbola fantatra momba ireo harena ao anatin’ny ranomasintsika noho ny tsy fahampian’ny fikarohana. Hamantarana ireo zava-manan’aina isan-karazany ao aminy ary dia misy ny fanadihadiana manokana antsoina hoe “RAP” na Rapid Assessment Program andiany fahatelo izay hotontosaina ny 27 martsa ka hatramin’ny 16 aprily izao any amin’ny fari-dranomasina avaratra atsinanan’ny Nosy manomboka eo amin’ny helodranon’ Ambodivahibe ka hatrany Vohémar izay manana halava 125 km eo ho eo.
Mpikaroka 9 izay samy manana ny sehatra ananany fahaizana manokana momba ny zava-manan’aina anaty ranomasina no mandrafitra ilay ekipa siantifika handray anjara amin’izany izay ahitana teknisianina Malagasy sy vahiny miasa amin’ny Conservation International sy ny Wild Life miampy mpikaroka avy amin’ny oniversiten’i Stanford Etazonia, ny Cordio East Africa ary ny CNRE. “Tena zava-dehibe tokoa ny fisian’ity Rap fahatelo ity satria mahatratra 150.000 dolara no lany amin’ny fanatanterahana azy kanefa tsy ananantsika izay enti-manana izay. Miankina amin’ity voka-pikarohana ity izany no ahafahana milaza raha tena manankarena tahaka ny telozoron’ny harandriaka ao amin’ny fari-dranomasin’Indonezia, Phillipines ary Papouasie Nouvelle Guinée tokoa ny fari-dranomasintsika malagasy», hoy ny profesora Jean Maharavo. Nohazavainy koa fa ny telozoron’ny harandriaka ihany no noheverin’ireo mpikaroka maneran-tany fa tena fitobian’ireo zava-manan’aina anaty ranomasina hatrizay saingy nanova io fihevitra io ny vokatry ny fikarohana tamin’ireo Rap 2 natao tamin’ny ilany avaratra andrefan’ny Nosy tamin’ny taona 2002 sy 2006. Manaporofo izany ny antontanisa raha ny fanazavan’ny profesora ihany. «Raha misy 380 mantsy ireo karazana harandranomasina (corail) sy 540 kosa ny akorandriaka (mollusque) hita tao amin’ny telozoron’ny harandranomasina dia karazana harandranomasina 340 sy akorandriaka 540 kosa no voatily teto amintsika ary maro ireo karazana biby sy zava-maniry vaovao vao hita nandritra ireo ny Rap faharoa izay nanaovana fandalinana ny ranomasin’i Cap d’Ambre hatrany amin’ny elodranon’Ambodivahibe».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.