Actualités

Zava-manan’aina anaty ranomasina : Misy fikarohana hanamarinana fa manankarena i Madagasikara


  • Zoma 26 Martsa 2010


Maro ny zava-miafina tsy mbola fantatra momba ireo harena ao anatin’ny ranomasintsika noho ny tsy fahampian’ny fikarohana. Hamantarana ireo zava-manan’aina isan-karazany ao aminy ary dia misy ny fanadihadiana manokana antsoina hoe “RAP” na Rapid Assessment Program andiany fahatelo izay hotontosaina ny 27 martsa ka hatramin’ny 16 aprily izao any amin’ny fari-dranomasina avaratra atsinanan’ny Nosy manomboka eo amin’ny helodranon’ Ambodivahibe ka hatrany Vohémar izay manana halava 125 km eo ho eo.

Mpikaroka 9 izay samy manana ny sehatra ananany fahaizana manokana momba ny zava-manan’aina anaty ranomasina no mandrafitra ilay ekipa siantifika handray anjara amin’izany izay ahitana teknisianina Malagasy sy vahiny miasa amin’ny Conservation International sy ny Wild Life miampy mpikaroka avy amin’ny oniversiten’i Stanford Etazonia, ny Cordio East Africa ary ny CNRE. “Tena zava-dehibe tokoa ny fisian’ity Rap fahatelo ity satria mahatratra 150.000 dolara no lany amin’ny fanatanterahana azy kanefa tsy ananantsika izay enti-manana izay. Miankina amin’ity voka-pikarohana ity izany no ahafahana milaza raha tena manankarena tahaka ny telozoron’ny harandriaka ao amin’ny fari-dranomasin’Indonezia, Phillipines ary Papouasie Nouvelle Guinée tokoa ny fari-dranomasintsika malagasy», hoy ny profesora Jean Maharavo. Nohazavainy koa fa ny telozoron’ny harandriaka ihany no noheverin’ireo mpikaroka maneran-tany fa tena fitobian’ireo zava-manan’aina anaty ranomasina hatrizay saingy nanova io fihevitra io ny vokatry ny fikarohana tamin’ireo Rap 2 natao tamin’ny ilany avaratra andrefan’ny Nosy tamin’ny taona 2002 sy 2006. Manaporofo izany ny antontanisa raha ny fanazavan’ny profesora ihany. «Raha misy 380 mantsy ireo karazana harandranomasina (corail) sy 540 kosa ny akorandriaka (mollusque) hita tao amin’ny telozoron’ny harandranomasina dia karazana harandranomasina 340 sy akorandriaka 540 kosa no voatily teto amintsika ary maro ireo karazana biby sy zava-maniry vaovao vao hita nandritra ireo ny Rap faharoa izay nanaovana fandalinana ny ranomasin’i Cap d’Ambre hatrany amin’ny elodranon’Ambodivahibe».

Telo volana aorian’ny fanadihadiana no amoahana ny voka-pikarohana izay ho hita ihany koa amin’ny “Bulletin d’évaluation biologique” amin’ny volana martsa 2011. Fotoana ahafahan’ireo mpikaroka mifanakalo traikefa ny fiaraha-miasa amin’ny tetikasa goavana toy izao. Eo amin’ny lafiny fikajiana ny tontolo iainana kosa dia manan-danja tokoa ny fahafantarana ireo toetoetry ny ranomasina sy ny zava-manan’aina ao aminy ahafahana mandray fepetra momba ny fiarovana azy. Anisan’ny vahaolana tsara indrindra ny fametrahana azy ireny ho fari-dranomasina arovana ialana amin’izay mety ho tsindry ataon’ny olombelona.
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT