Actualités

Zanaka mpitondra FAT Mihetraketraka !


  • Alatsinainy 20 Febroary 2012

Misy amin’ireo zanaka mpanankarena na koa mpitondra ambony no mihetraketraka.

 Tsy zava-baovao fa azo lazaina ho efa mahazatra aza izany. Ny sabotsy alina lasa teo tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany dia tovolahy iray nitondra fiara 405, laharana TAC no nahavita namingavinga sady nanompa mihitsy ny mpamily fiarakaretsaka teo alohany. Tsy nisy anefa fifamaliana teo amin’ny roa tonta na koa fihetsika tsy mety nataon’ilay mpamily fiarakaretsaka ka mety mahatezitra ity tovolahy nisetrasetra ity. Sady nirimorimo izy no nampaneno mafy dia mafy klaxon mba ahafahany mandeha. Nomen’ilay mpitondra fiarakaretsaka lalana tsara mihitsy izy saingy vao lasa teo aloha ny fiarany dia nijanona ity tovolahy ity ary nanao vavabe tamin’ilay rangahy mpamily fiarakaretsaka sy ny mpandehany.

Sahiny mihitsy no namingavinga ilay olon-dehibe ka nilazany fa “tsy mahalala ny bandy kely ve ialahy ! Anay ny fanjakana ka tsy maintsy mikisaka ialahy izay taxi kely io”. Tsy namaly ny fihantsiany anefa ilay mpamily. Nisy tamin’ireo olona nahita ity tranga ity no nahafantatra ilay tovolahy ka nilazan’izy ireo fa efa mpanao io fihetsika mamohehatra io ity farany. Diso fantatry ny mponina eny Anosizato sy Ampitatafika iny ny tenany raha ny filazan’ireo olona ireo ihany.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT