Zanak’i Dada

> Tondroin’ny Zandary ho mikasa hanao «Lundi noir”


  • Alatsinainy 06 Janoary 2014

Milaza ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena fa araka ny vaovao na «renseignements» voaray eo anivon’ny mpitandro ny filaminana dia nisy fivoriana notanterahan’ireo «Zanak’i Dada» teny Ambohimanarina.

Tsy nambara ny daty, Ny voalaza kosa dia tapak’izy ireo nandritra izany fivoriana izany fa hataon’izy ireo «Lundi noir» ny alatsinainy 06 janoary 2014, ary tranon’ny kandida ho filoham-pirenena teo aloha fantatra amin’ny anarana hoe «Dadafara» no ho lasibatra voalohany. Araka io fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena io hatrany dia efa mandray ny fepetra rehetra amin’izao fotoana izao ny mpitandro filaminana mba hisorohana ny fanakorontanana ary tsy handefitra fa handray ny andraikiny amin’ny fisamborana ny mpanakorontana mba ho fitandroana ny filaminana sy ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany». Taorian’ny resaka «Sabotsy mainty» taorian’ny nandavan’ny CES I ny filatsahan-kofidian’i Neny Lalao Ravalomanana izany dia «Lundi noir» indray no ankalazaina. Somary nanaitra ny mpanara-baovao ihany ny fanondroana mivantana ny «Zanak’i Dada» ho mikotrika io asa fanakorontanana io. Raha Ambohimanarina no resahina dia teny no nikotrehan’ny «gros bras» ny fandorana an’Antananarivo ka niteraka an’ireny 26 janoary 2009 ireny.

Raha atao dingan-dava mankaty amin’ny taona 2013, nandritra ny fampielezan-kevitra fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka miaraka, dia mbola tsaroan’ny maro ny nandratran’ny mpomba ny kandidan’ny fitondrana ny tovolahy iray mpametaka afisin’ny kandida filoham-pirenena Dr Robinson Jean Louis, nanaovana tambabe. Samy nitatitra an’io tranga io avokoa ny ankamaroan’ny gazety mpivoaka isan’andro eto an-drenivohitra. Mbola lasibatr’ireo mpomba ny kandidan’ny fitondrana ireo ihany koa ny kandida depiote Dr Miharisoa nandritra ny fampielezan-kevitra nataony tao amin’ny Kianja Madera Anosivavaka Ambohimanarina. Malaza ny hosoka sy hala-bato tamin’ny fifidianana natao tamin’ny 20 desambra, ary nanambara fa hijoro hiaro ny safidim-bahoaka ny Zanak’i Dada, izay anisan’ny mpanohana an’i Dr Robinson Jean Louis. Natomboka tao amin’ny Magro ny sabotsy 04 janoary teo izany. Dia io mivoaka io ny resaka fa mikotrika «Lundi noir» ny «Zanak’i Dada». Ho an’ireto farany dia tetika fanapenam-bava izao ary koa fanakonana ny marina tsy hivoaka.

 

JD

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison FĂ©lix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT