Zafinandro Armand

> Nesorina tsy ho PDS-n’i Tolagnaro fa hoe manohana an’ny Dr Robinson


  • Talata 03 Desambra 2013

Nesorina tsy ho filohan’ny delegasiona manokan’ny Kaominina ambonivohitr’i Tolagnaro na PDS intsony i Zafinandro Armand.

Nivoaka tampoka io fanapahan-kevitra io taorian’ny nandraisany ireo delegasiona notarihin’ny Dokotera Robinson Jean Louis sy ny Profesora Mangalaza Eugène raha nitsidika tany an-drenivohitra Anôsy tapabolana lasa izay. Antony politika, araka izany, no heverin’ny maro fa nanesorana azy. Efa any an-toerana hatramin’ny alahady teo ny mpisolo toerana azy. Hotanterahina anio ny famindram-pahefana eo amin’ny roa tonta. Mpitsara sady administratera sivily i Zafinandro Armand. Iray tamin’ireo PDS telo (Nosy-Be, Sainte-Marie, Tolagnaro) notendrena tamin’ny andron’ny filoha Marc Ravalomanana izy tamin’ny tsy nisian’ny fifidianana ho Ben’ny tanàna tamin’ireo tanàna ireo ny 2007. Sekretera jeneraly lefitry ny governemanta izy no praiminisitra nialoha ny nanendrena azy ho PDS-n’i Tolagnaro. Tao anatin’izay fito taona nitondrany ny tanàna izay dia niova endrika tanteraka tao an-drenivohitry ny oratsimba vokatry ny fahavitan’ireo fotodrafitrasa marobe. Azo lazaina ihany koa fa Kaominina milamina i Tolagnaro, tsy mba nahitana fitokonana sy savorovoro toy ny fahita amin’ireo tanàn-dehibe maro.

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT