Vovonana Mahitsy Fijery

> Maro ny tsy fahatomombanana na dia tontosa aza ny fifidianana


  • Talata 31 Desambra 2013

Nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Hotel Colbert omaly hariva dia naneho ny fankasitrahany ny CENI-T ny vovonana Mahitsy Fijery, izay ahitana fiarahamonim-pirenena maromaro ka anisan’izany ny CDA, KMF/Cnoe, noho ny fahatontosan’ny fifidianana sy ny fandraisany ireo soso-kevitra narosony tamin’ny fihodinana voalohany.

Na dia teo aza izany dia maro ny tsy fahatomombanana izay tsikaritra teny rehetra teny tahaka ny tsy fanajana ireo torolalana, fanohintohinana ny tsy fiandaniana mandritra ny fampielezan-kevitra, ny fametahana peta-drindrina teny amin’ny toerana tsy nahazoana alalana, fihenan’ireo mpifidy tany anaty biraom-pifidianana na dia teo aza ny fampitomboana ireo tao anaty lisitry ny mpifidy sy ny sisa. Manoro hevitra ny CES ny vovonana Mahitsy Fijery mba hanapahany mahakasika ny sazy tokony hatao amin’ireo izay tsy nanaraka ilay «didim-panjakana» niteraka resabe iny. Ilaina ihany koa ny fandinihana am-pilaminana ny lisitry ny mpifidy. Notsindrian’izy ireo ihany koa ireo gaboraraka isan-karazany hita tamin’ny fampiasana ireo haino aman-jery izay nilazany fa tokony hampiharina ireo lalàna mifehy ny haino aman-jery, izay manaja ny tombontsoam-bahoaka sy miaro ny fahalalahan’ny mpanao gazety. Diso nirona tamin’ny fitadiavam-bola loatra mantsy ireo mpampahalala vaovao nandritra ireny fampielezan-kevitra ireny araka ny filazan’izy ireo ka adino ilay anjara asany dia ny mampahafantatra ny tena zava-misy tsy nasiana loko politika amin’ireo sarambabem-bahoaka.

 

 

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT