Actualités

Vono olona tany Beroroha Efa fantatra ireo olon-dratsy


  • Sabotsy 25 Jona 2016

Nanamafy ny fampitam-baovaon’ny fiadidiana ny praiminisitra fa “efa misy fantatra ny anaran’ireo olon-dratsy”

 

 tamin’ilay vono olona niseho tany Beroroha ny talata 21 jona teo, nahafatesana olona 31 ary naharatrana 17 hafa. Nandefa zandary sy miaramila 50 lahy hanampy ireo mpitandro ny filaminana any Ankazoabo sy Beroroha iny ny fanjakana ny andro nisehoan’ny loza. Samy miandry ny vokatry ny hetsika hisamborana ireo olon-dratsy ny rehetra. Ny alakamisy teo dia nidina nampahery ny fianakavian’ireo manamanjo sy ireo marary tsaboina ao amin’ny hopitalin’i Toliara ny delegasiona notarihin’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier, sady nanolotra fanampiana. Nambarany fa tsy maintsy handray andraikitra ny fitondram-panjakana ary tsy ho vitavita foana ireo heloka bevava ireo. Nanamarika moa ny lehiben’ny Faritra tany an-toerana fa efa misy fantatra ny anaran’ireo olon-dratsy voakasik’izao toe-javatra mampalahelo izao. Nandritra ny fitsidihana dia tsapa fa marisarisa ny fampiasana ny “Dinabe” ao amin’ny Distrikan’i Beroroha sy Ankazoabo, saingy azo lazaina fa efa miseho tsikelikely ny fandriampahalemana amin’ireo distrika sasany izay mampihatra izany dina izany, toy ny distrikan’i Toliara voalohany sy faharoa.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT