Voasambotra noho

ny afera Kolonely Patrick


  • Talata 03 Novambra 2026

Hatolotry ny Maorisianina

an’i Madagasikara i Sokataly ?
Herinandro mahery izay no voasambotry ny polisy maorisianina tao Flic-en-Flac i Shémir Sokataly, mpandraharaha 60 taona avy eto Madagasikara sady filohan’ny vondrona Maeva Group, fantatra amin’ny indostrian’ny fanodinana ara-tsakafo izay miorina ao Mozambika. Nobedaina ny zoma 23 oktobra 2026 rehefa nandalo tao Maurice nikasa ho any Dubaï. Voatonona ao anatin’ny fanadihadiana momba ny raharaha fikasana handositra ny fonjaben’i Tsiafahy nahasaringotra ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy ny anarany. Efa namoahan’ny fitsarana malagasy didy fampisamborana iraisam-pirenena momba azy. Ahiana ho nandray anjara tamin’ny fikotrehana ny fandosiran’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy tao Tsiafahy ny fiandohan’ny volana septambra 2026 i Shémir Sokataly. Nambaran’ny manam-pahefana tamin’izany ny fisiana fikasana handoro ny fonja, izay nokasaina hiteraka korontana tao amin’ilay toerana mba hahafahan’ilay manamboninahitra miaramila mandositra. Navoakan’ny manam-pahefana tamin’izany ny fisiana fitaovana elektronika sy fifandraisana an-tariby saron’ny mpanao famotorana, izay heverina fa mety hanampy amin’ny famoahana ny marina momba ity raharaha ity. Tafiditra ao anatin’ny fanadihadiana ihany koa ny resaka famatsiam-bola, ka voatonona ny anaran’i Syntia, fantatra eo amin’ny tambajotra sosialy. Araka ny ahiahin’ny mpanao famotorana, dia voalaza fa nangataka vola mitentina 20 000 euros tamin’i Shémir Sokataly izy, mba hamatsiana ny fandaminana sy ny fitaovana ilaina amin’ilay fikasana. Voalaza fa mbola eo am-pandinihana ireo antontan-kevitra nomerika sy ny fivezivezen’ny vola ny mpanao famotorana mba hamaritana ny tena zava-nisy sy ny andraikitry ny tsirairay. Efa natolotra teo anivon’ny fitsarana tao Port-Louis, renivohitr’i Maorisy, i Shemir Sokataly taorian’ny fisamborana azy. Mandeha amin’izao fotoana izao ny dingana ara-pitsarana momba ny famerenana azy eto Madagasikara, hoy ny fampahalalam-baovao vahiny. Tsy midika hanaiky avy hatrany ny famindrana azy eto ary tsy azo hanerena an’izay anefa ny fisian’ny didy fampisamborana iraisam-pirenena miloko mena, fa mbola tsy maintsy dinihin’ny manam-pahefana maorisianina ny fangatahana fampodiana azy, araka ny lalàna mifehy ny famindrana olona enjehin’ny fitsarana eo amin’ny samy firenena na ny « extradition ». Raha tanteraka ny fampodiana azy eto Madagasikara, dia mety hahafahan’ny fitsarana manohy ny fanadihadiana momba ireo olona ahiahiana ho tafiditra amin’ity raharaha ity izany. Etsy ankilany, mbola manan-kery ny foto-kevitra momba ny fiheverana ny olona iray ho tsy manan-tsiny mandra-pivoakan’ny didim-pitsarana raikitra manamarina ny heloka iampangana azy. Andrasana araka izany ny hoe : hanao ahoana ny tohin’ity dosie iray izay azo lazaina ho goavana ity ? Hanolotra an’i Shemir Sokataly ho an’ny Fitsarana Malagasy ve ny Fanjakana Maorisianina izay nisokatra tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ny fisamborana azy ? Misy dosie mahakasika azy ihany koa toy ny raharaha Mamy Ravatomanga ao Maurice ihany koa ve i Shémir Sokataly sa tena mahakasika an’i Madagasikara madiorano ? Ho afaka sa ho votsotra ? Voalaza fa mpandraharaha tena matanjaka ihany koa asa izay ho tohiny…
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

Hijery ny tohiny
FTT