Nitrangana vono olona nahatsiravina tao Bevoalavo akaikin’ny bazary Sacma Toliara ny alarobia lasa teo, tokony ho tamin’ny 9 ora alina. Jiolahy telo mbola tanora no nanafika tokantrano iray ka maty tsy tra-drano vokatry ny tifitra nahazo azy ny raim-pianakaviana iray mpivarotra osy.
Lasan’ireo olon-dratsy ny volany iray tapitrisa Ariary tao anaty paosin’akanjo, araka ny fanazavan-dramatoa vady navelan’ny maty. Basy vita gasy antsoina hoe : «Kidabonaly», izay miparitaka tokoa amin’izao, no nampiasain’ireo jiolahy ary nentiny nandositra niaraka taminy rehefa vita ny asa ratsiny. Raha vao nandre ny poa-basy ny olona teo an-tanàna dia nirohotra nankany amin’ilay trano voatafika. Tovolahy iray no sahy tonga dia nisambotra ka nifampitolona tamin’ny iray tamin’ireo jiolahy. Niharan’ny fitsaram-bahoaka ity farany ka notetitetehan’ny olona tamin’ny antsy ny tanany sy ny vatany ary rotiky ny vono ny tarehiny ka latsaka hatramin’ny valanoranony mihitsy. Olona tsara sitrapo no niantso ny polisy. Tonga ara-potoana ireto farany, raha tsy izany dia matin’ny olona, efa romotry ny hatezerana, teo ity jiolahy mbola tanora izay voalazan’ny fianakaviany fa mpiditra matetika ao an-tranon’ilay rangahy notifiriny. Miady amin’ny fahafatesana ity olon-dratsy ity amin’izao ora anoratanay izao izay manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitalibe Toliara. Noho ny ezaky ny polisy vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny vahoaka dia bandy telo no voasambotra omaly maraina. Mbola karohina kosa ilay voalazan’ireo namany voasambotra ireto fa atidoha nikotrika ny fanafihana sy nitifitra ilay mpivarotra osy. Voalazan’ny Kaomisera Sylla Ralimamamonjy fa tovolahy mpanao mena mahazo ireto bandy ireto ary disadisa nikotrika efa hatry ny ela no lasa «règlement de compte» izao.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.