Vono olona mahatsiravina

> Novelesina ny lohan’ilay tovolahy avy eo nafenina tao anaty lava-bato ny razana


  • Talata 19 Novambra 2013

Lehilahy 22 taona mponina tao amin’ny Fokontany Mahafanalo, Kaominina Ambatomikolahy-Betafo no maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ny fiandohan’ny volana novambra lasa iny.

 

Lehilahy roa, mpianaka no nosamborin'ny polisim-pirenena avy ao Betafo ho nahavanona izao loza mahatsiravina izao. Raha ny fanazavana nomen’ny Kaomisera Seraly Hercule, tompon’andraikitra voalohany any an-toerana dia ny sabotsy 02 novambra no tsy hita popoka ilay lehilahy maty ity raha ho eny an-tanimboliny no nivoahany ny tranony. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ny fianakaviany. Fantatra fa tamina fijoroana vavolombelona nataon’ny kartie mobila iray tao an-tanàna fa nisy rangahy iray nifamaly tamin'ity ranamana tsy hita ity ny nialoha io 02 novambra io ary nisy vavabe nataony tamin’izany. Nanaovan’ny mpitandro filaminana fanadihadiana avy hatrany ilay olona nanao vava be ka niaiky ihany fa izy no namono ka notantarainy fa novelesiny vato ny lohany no sady nokendainy ary naboridany avy eo. Nafenina tao anaty lava-bato iray manamorona renirano ny razana avy eo ary notsindriany vatobe maromaro. Nolazain’ilay nahavanon-doza fa namosavy ny zanany lahy tokony ho 18 taona tratry ny aretina mihijitsinjitra, hono, ity tovolahy 22 taona ity ka izay no namonoany azy. Ny 09 novambra lasa teo no nahitana ny razana izay efa simba tanteraka. Fa nosamborin’ny polisy ihany koa ny zanak’ilay rangahy namono nahafaty olona ity satria voalaza fa nahita ny namonoan’ny dadany ilay tovolahy izy saingy tsy nampandre ny mpitandro filaminana na ny Fokonolona ka noraisina ho mpiray tsikombakomba. Natolotra ny Fitsarana ao Antsirabe ny alatsinainy 18 novambra 2013 izy mianaka ireo.

Caïus Raharison


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT