Vondrona Tia Tanindrazana

> Ho tena mpanelanelana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra


  • Alakamisy 12 Desambra 2013


Antony iray nanosika ny fikambanana Vondrona Tia Tanindrazana hanolotra kandida hifaninana ho solombavambahoakan’i Madagasikara ao amin’ny Boriborintany voalohany ny fahitana ny fanitsakitsahana sy tsy fanarahan-dalàna ataon’ireo mpitondra sy mpanao politika mba ahazoany tombontsoa manokana. Tena nisongadina ireo trangan-javatra ireo nandritra izao fitondrana tetezamita izao. Lohalisitra kandida mitarika ny Vondrona Tia Tanindrazana i Maître Rabemananjara Lalaharinoro, izay anisan’ny nitondra mangidy tamin’ireo mpitondra mpanongam-panjakana satria dia nigadra nandritra ny 14 volana noho ny fiarovana ny ara-dalàna nanomboka tamin’ny taona 2009. Tanjon’ny kandida Maître Noro ny ho mpanelanelana marina eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra amin’ny alalan’ny fampitana ny hetahetam-bahoaka isan-tsokajiny, indrindra ny tanora.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT