Vondrombahoakam-paritra

> Hosoloina miaramila ireo lehiben’ny Faritra ?


  • Alarobia 20 Novambra 2013

Mitsingevaheva ny sezan’ny tompon’andraikitra sy mpiasam-panjakana ambony maro taorian’ny vokatra ambany azon’ny kandidam-panjakana tamin’ny fihodinana voalohany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena notontosaina ny 25 oktobra 2013 teo, na nohetsehina avokoa aza ny fitaovana sy ny olom-panjakana isan’ambaratonga.

Nandeha, araka izany, ny feo hatramin’ny fiandohan’ity herinandro ity fa dia mety hisy ny fanoloana ireo izay tsy namokatra, mialoha ny hiatrehana ny fihodinana faharoa. Hisy rahateo ny filankevitry ny minisitra anio, ka mety mandritra izay no handraisana ny fanapahan-kevitra. Raha ny be mpiresaka dia mety hanomboka eny amin’ny Faritra ny fanesorana olona. Taorian’ireo fito efa nesorina dia mety hiampy izany, ka hametrahana miaramila indray raha Administratera sivily ny ankamaroan’ny teo aloha. Hosoloina ihany koa ireo lehiben’ny Faritra nirotsaka hofidiana solombavambahoaka. Mety hipaka eny amin’ny ministera sy hatrany anivon’ny foloalindahy ny fanoloana tompon’andraikitra raha ny loharanom-baovao hatrany. Inona no antony no amin’izao vanim-potoana anatanterahana fifidianana izao no misy fanoloana olona, raha tanteraka tokoa izany ? Misy zavatra mampatahotra ny mpitondra tetezamita sa niova fa efa tonga saina ka tsy atokisana intsony ireo akama taloha ?

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison FĂ©lix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT