Actualités

Volamenan’i Soamahamanina Tonga eny amin’ny Bianco ny raharaha


  • Alakamisy 23 Jona 2016

Tantara tsy vita ny raharaha Soamahamanina-Miarinarivo isian’ny fitrandrahana volamena ataon’ny orinasa sinoa Jiuxing Mines SARL.

 

 Fantatra izao fa nisy nametraka fitarainana eny amin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) ny 6 aprily 2016, miahiahy ny VOI (Vondron’olona Ifotony) ho tratry ny kolikoly tamin’ny naneken’izy ireo ity fitrandrahana ity, ka nanamaro ny fahazoan’ilay orinasa sinoa alalana avy amin’ny Ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana (ONE).

Efa nanomboka ofisialy ny asany anefa ny orinasa Jiuxing Mines ny talata 21 jona teo. Midika izany fa ara-dalàna ary manana ny fahazoan-dalana ara-panjakana mikasika ny fitrandrahana hataony ny orinasa. Nanamafy io ny Ben’ny tanànan’i Soamahamanina, Rabesahala Solo Théophile, izay tonga niatrika ny lanonana.

Vakim-paritra miisa 64 no hanatanterahan’ny orinasa ny fitrandrahana hataony, araka ny fahazoan-dalana nomen’ny fanjakana azy tamin’ny novambra 2015 ary hampiasa fitaovana vaventy izy ireo. Nohalalahan’ny fitondrana HVM ny fitrandrahana volamena nanomboka tamin’ny 2015. Ny vahiny aloha hatreto no tena mitavana fa ny Malagasy teratany mihafy, tsy mahita tombontsoa.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT