Actualités

Volamena teny Ivato Betsaka ny “intervention”


  • Alarobia 23 Novambra 2011

Araka ny loharanom-baovao dia betsaka ireo olona izay manao “intervention” ny amin'ny tokony hamotsorana ilay steward nahatrarana volamena 9.5 kg teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato afak'omaly hariva tamin'ny 5 ora sy sasany.

 Olona azo antoka no nanome ny vaovao ny mpitandro ny filaminana ka nisavana ny entan'ilay steward efa tafiditra tany anatin'ny fiaramanidina nivonona hanainga. Fantatra ihany koa fa tsy nandalo fitiliana tamin’ny “scanner” ilay entana. Nikasa ny ho any Bangkok ity fiaramanidina ity. Avy hatrany dia notanana teny amin'ny mpitandro ny filaminana ilay steward saingy afa-nisidina ihany ilay fiaramanidina. Nisy ny fakana ambavany ilay steward hatry ny omaly. Henjana ihany koa anefa ilay olona nanome vaovao ny mpitandro ny filaminana mikasika azy ity ka ho sarotsarotra ity raharaha ity. Ho hita eo ny tohiny.
Solonirina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT