Actualités

Volamena ao Soamahamanina Nitondran’ny Sinoa fitaovana vaventy


  • Alatsinainy 06 Jona 2016

Raikitra ! Hanomboka ny fitrandrahana volamena hataony ny ao Soamahamanina, Distrikan’i Miarinarivo ny orinasa sinoa Jiuxing Mines S.A.R.L.

 

 Efa miatrana eny an-toerana ireo fiarabe sy fitaovana vaventy hampiasain’ny orinasa. Ny orinasa Tanety Lava S.A.R.L no nanana ny fahazoan-dalana hanao azy io teo am-piandohana. Nafindrany amin’ny Jiuxing Mines S.A.R.L izany dia izao ity farany roso amin’ny fitrandrahana izao, rehefa niandry ny «Permis environnemental» avoakan’ny ONE na Ofisim-pirenena mikajy ny Tontolo Iainana, nanao fanadihadiana ny fiantraikan’ny asa fitrandrahana amin’ny tontolo iainana. Nampisavorovoro ny mponina tao Soamahamanina ity fitrandrahana hataon’ny sinoa ity. Nitsivalana, ary nidina an-dalambe nilanja sorabaventy nanohitra izany ny mponina tamin’ny efa-bolana lasa izay. Tsy nanafoana na nampihemotra ny fitrandrahana eny an-toerana anefa izany.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT