Hatezerana, fahasorenana, hasosorana ! Izay no hita tamin´ireo mpandeha sy ireo handeha ny zotra Air Austral hihazo sy ireo tonga avy any La Réunion ny sabotsy teo.
Raha tamin´ny 02ora sy 50mn no tokony ho niantsona tao Ambalamanasy Toamasina ny zotra Air Austral avy any La Reunion, dia tsy tonga ny fiaramanidina raha tsy tamin´ny 06ora hariva. Noho izany voatery niandry ora maro tao amin´ny seranam-piaramanidin´i Guillot tao La Réunion ireo mpandeha hihazo an´i Toamasina, toraka izany koa ireo hihazo ny nosy La Réunion. Ho an´ny mpikirakira ny mpizahatany, dia nanambara fa “mitatao ny loza ho anay raha mbola afangaron´ny fitondram-panjakana ny resaka politika sy ny resaka fihariana. Tsy maintsy hisy fiantraikany amin´ny fitsidihana an´i Toamasina iny zava-nisy iny, satria ireo mpizahatany ireo, indrindra ny Air Austral mazàna mpitondra mpizahatany, dia efa manana ny fandaharam-potoanany, ka raha misaritaka izany dia aleo miala an-daharana fa manakorontana ny fandaharam-potoany fotsiny”.
Ankoatra izay, vokatra iny NOTAM navoakan´ny fiadidian´ny prezidansa ny sabotsy iny, dia nanakorontana ihany ny zotra anatiny tokony hihazo ireo distrika maromaro tena ankafizin´ny mpizahatany, tahaka ny nosy Sainte Marie sy Maroantsetra amin´ny alalan´ny nosy Mangabe sy cap Masoala. Zotra tokana niainga tokony ho tamin´ny 12ora nanoloana ny fiaramanidina ATR nanana olana tao Toamasina no hany nisy, nanao ny zotra Toamasina - Maroantsetra dia izay ihany. Ireo nila ny zotram-piaramanidina izany, dia niala maina avokoa, nefa betsaka ireo mpizahatany nisafidy ny nosy Sainte Marie hiverina hamonjy ny zotra mankany Eoropa ny sabotsy no nitaintaina ary nisy voatery nanemotra ny diany miverina, ka nampitombo ny fandaniana efa noferana amin´ny fitsidihana ataony.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.