Io ary ilay nolazainy !
Eo anatrehan’ny fisavoritahan’ny voka-pifidianana sy ny fitakiana fanafoanana ny fifidianana miseho lany ankehitriny dia mitamberina ao an-tsain’ny maro ankehitriny ny zava-boalazan’i Andry Rajoelina tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray teto an-drenivohitra, nivantana avy any Toliara ny alin’ny 15 desambra namborahany ny hetahetany mikasika iny fifidianana iny. Hoy indrindra izy nanao hoe : izahay koa anie ka manana olona spesialista amin’ny fangalaram-bato e, fa izaho no nanakana, ary mbola niampy hoe : tahaka ny mandainga aho raha hilaza hoe 60% no vato hoazonay amin’io fihodinana faharoa io, ary mbola niampy hoe : tsy maintsy lany ny kandida izay tohanako. Toa mampahatsiahy izay efa nambaran’i Andry Rajoelina tao amin’ny gazety «Le Monde» tamin’ny 09 novambra ny namborahany ny fanohanany ny kandida Hery Rajaonarimampianina sy ny hahazoan’ity farany isam-bato 55% izany. Koa kisendrasendra ary ve sa notanterahin’ny FAT tokoa ny tetiny raha tarafina amin’ity voka-pifidianana avoakan’ny CENI-T ankehitriny ity ? “Anjaran’ny CES ny mandinika sy mieritreritra”, hoy i Pr Joseph etsy Andavamamba, ity farany izay mizara ny tenin’Andriamanitra araka izay hita ao amin’ny Galatiana, 6 :7, milaza fa «Aza mety ho fitahina ianareo ; Andriamanitra tsy azo vazivaziana, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy».
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.