Voarohirohy ho mpamatsy basy ny dahalo

> Karana telo nohafahan’ny fitsarana madiodio


  • Talata 03 Desambra 2013

Niakatra fitsarana tao Toliara ny alakamisy lasa teo ireo teratany karana telo mianaka malaza ratsy amin’ny trafikana basy mahery vaika any Ankazoabo Atsimo, faritra Atsimo Andrefana.

Nafahan’ny fitsarana madiodio ireto karana ireto na dia voasambotry ny mpitandro filaminana fa nahatrarana basy «kalach» roa niampy basy mahery vaika hafa aza. Talohan’izao dia efa voasambotra tamina resaka trafikana basy izy telo mianaka ireto ary efa malaza ratsy amin’iny faritra iny amin’ny famatsiana fitaovam-piadiana ireo dahalo, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Raha ny filazana olom-boafidy iray avy any Ankazoabo dia ny zanany lahy izay mizaka ny zom-pirenena frantsay no manafatra ireo basy any ivelany. Avy eo mibizina izany amin’ireo malaso ka mampirongatra toa tsy misy fanafana ny halatra omby arahina vono olona, na dia miezaka manao izay tratry ny heriny aza ireo mpitandro filaminana.

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT