Actualités

Voalaza nanapoaka Baomba Tsy noraharahain'ny Fitsarana ny Tondrozotra


  • Alakamisy 24 Novambra 2011

Ranomaso havozona ny an’ny fianakaviana maro fa ny roa tamin'ireo dimy voarohirohy tamin'ny fanapoahana baomba teto an-drenivohitra hatramin'ny taona 2009 ihany no nomen'ny Fitsarana fahafahana vonjimaika omaly.

 Tokony ho tamin'ny 9 ora maraina mahery kely no nanomboka ny fotoam-pitsarana ity raharaha ity. Tsy tonga ny mpitory izay ny fanjakana. Tsy tonga koa ny teny amin’ny Jumbo Score Tanjombato. Olona valo kosa no niatrika ny fitsarana raha 23 no voarohirohy. Anisan'ireo nanatrika kosa ny minisitra teo aloha Alain Andriamiseza, ny Réverend Satrobory ary ny filohan'ny antoko Teza, Rakotoamboa Jean Louis. Tsy nipoitra ry Raharinaivo Andrianatoandro sy ry Yves Aimé Rakotoarison. Naharitra ora iray teo ho eo ny fiarovantenan'ny voampanga sy ny fandavana ny fahazoana fahafahana vonjimaika ho an'ireo efatra mbola voatana am-ponja nataon'ny Fampanoavana.

Tamin'ny fiarovana ireo voampanga dia nahitsy ny tenin'ny mpisolovava azy ireo. Tokony hiroso amin'ny fampitoniana ny raharaham-pirenena amin'izao fotoana izao. Izany dia vokatry ny fanasoniavana ny Tondrozotra nataon'ny mpanao politika. Voalaza ao anatin'io tondrozotra io mihitsy ny fanafahana ny gadra politika rehetra sy ny fampiatoana ny fanenjehana eny anivon'ny Fitsarana. Rehefa nandray fitenenana ny solontenan'ny Fampanoavana dia nilaza fa tsy misy idiran'izy ireo ny resaka politika satria teknisianina ny mpitsara. Ny fandikan-dalàna no tokony hojerena na mitombina na tsia, hoy izy. Mikasika ny Tondrozotra dia nilaza ihany koa ny tenany fa raha nampiharina izany dia efa tsy tokony ho tany am-ponja intsony ireto voarohirohy noho ny resaka fanapoahana baomba ireto.

Tamin'ny famintinany no nilazany fa ny iray tamin'ireo dimy mbola voatana am-ponja ihany no apetraky ny Fampanoavana eo amin'ny fahendren'ny Fitsarana ny fahafahany vonjimaika. Izy mantsy dia mpiambina ny trano izay nahitana baomba ka tsy dia hita loatra izay idirany amin'ilay tranga. Izany anefa hoy ihany ny Fampanoavana tsy manakana ny fanenjehana azy raha toa ka hita ao anatin'ny votoatinady fa misy vesatra miandry azy amin'ny fotoam-pitsarana ity raharaha ity. Ireo efatra kosa dia nolazainy fa niaiky fa nanapoaka baomba teny Analakely. Taorian'izay dia namaly ny mpisolovava azy dimy. Nilaza izy ireo fa noterena sy nampiasaina herisetra ireo olona arovany tamin'ny fisamborana azy ireo ka izay no nahatonga azy ireo hanaiky. Nilaza ihany koa ireo mpisolovava fa tsy nisy baomba nipoaka teny Analakely na indray mandeha aza. Nisintona ora iray ny Fitsarana taorian'izay ary namoaka didy fa mahazo fahafahana vonjimaika ny roa tamin'ireo dimy. Nahemotra kosa ny Fitsarana ny raharaha ka amin'ny andro tsy mbola fantatra. Mety amin'ny herintaona indray izany satria madiva hifarana ny taom-pitsarana amin'ity taona ity (izy 5 lahy efa roa taona sy tapany no tany am-ponja).

Solonirina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT