Voalaza ho mpamosavy

> Saika matin’ny fitsaram-bahoaka ilay ramatoa


  • Zoma 15 Novambra 2013

Nisahotaka vao maraina teny amin’ny manodidina ny Tsenan’Asabotsy ao Antsirabe ny alakamisy 14 novambra noho ny resaka fahatratrarana ramatoa iray izay notondroin’ny olona ho mpamosavy.

Tapaka tanteraka ny lalana manoloana ny hopitaly Atsimo noho ny habetsaky ny olona. Raha ny voalaza dia mpamosavy ilay ramatoa satria, hono, nangarom-bava zazakely tao amin’ny tsenan’ny tantsaha ka voalaza fa maty ilay zaza rehefa tonga tany amin’ny hopitaly. Ny alakamisy tokony ho tamin’ny roa maraina tany ho any no voalaza fa nitrangan’izany ka notazonin’ny Fokonolona ilay ramatoa no sady niharan’ny daroka isan-karazany, ary niafara tamin’ny saika hanipazana azy tao Andranomaimbo izany raha tsy tonga haingana ny mpitandro filaminana. Taorian’izay dia nezahina ny naka fanazavana tao amin’ny hopitaly Atsimo saingy nazava fa tsy nisy izany zaza nentina tao izany, ary ireo mpivarotra izay nanontaniana dia samy tsy sahy nijoro vavolombelona amin’ny fisian’ny izay harom-bava izay ary na ny mpitandro filaminana aza dia nanamafy fa tsy nitombina ny resaka famosaviana fa toa tondro molotra ihany na dia nisy nilaza aza fa efa tratra toy izao koa ity ramatoa ity tao Mahazina tamin’ny taon-dasa.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT