Miha manahirana hatrany ny adihevitra ao anaty tambajotran-tserasera facebook ao amin’izao fotoana mikasika ilay akanjo miloko maitso nianjaikan’ny vadin’ny filohan’ny repoblika,
Voahangy Rajaonarimampianina nandritry ny fankalazana ny fetim-pirenena teo. Tsy vitsy amin’ireo mpikirakira ity tambajotra ity no tohina sy sorena ary dia nilaza fa niniana novidiana handatsana ny Malagasy ve ? Ao ihany koa anefa ireo izay mihevitra fa mety nampanjairina manokana kosa mba hitovy endrika amin’ilay hita any andafy ity akanjo ity. “Hisy vadina filoha hisalotra sandoka (contre façon) kosa ve ?”, hoy indray ny hafa. Ampahany ihany ireo raha ny mikasika ny tsikera izay ataon’ireo mpanara-baovao. Antony mahatonga ny adihevitra moa raha tsiahivina fohy dia noho ny fanahiana fa 26 tapitrisa ariary any ho any no vidin’ity akanjo ity.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.