Raha mbola sahirana mamonjy ireo traboina noho ny tondra-drano ny any amin’ny Faritra Boeny, Melaky ary Atsimo Andrefana ary variana amin’ny adihevitra sy fifanasana vangy amin’izay ho praiminisitra eo ny mpanao politika Malagasy dia nisoko mangina tao ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Nihatra nanomboka ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy 23 janoary ny vidiny vaovao, izay nisy fiakarana 90 ka hatramin’ny 95Ariary isaky litatra ho an’ny lasantsy ka 3 470Ar sy 3 560Ar ny litatra ankehitriny, 2 800Ar sy 2 860Ar kosa ny gazoala. Somary tampoka ho an’ny maro ihany io fiakarana io, indrindra mbola ao anatin’ny vanim-potoana mbola mampisavoaravoara ny raharaham-pirenena izao i Madagasikara. Tsy azo niandrasana ny fijoroan’ny governemanta vaovao ve ilay fanondrotana ? Voalaza moa fa tsy hijanona eo io fisondrotana io fa dia hisoko miandalana, hanakatra ny vidiny tena izy (hono) mba tsy hanentsenan’ny fanjakana ny banga intsony. Marihina fa saika frantsay no ao ambadik’ireo kaompania mpaninjara solika eto Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.