Very zo tamin’ny fifidianana

> Hatovana ny lisi-pifidianana ireo mpifidy efa voaisa saingy hadino


  • Alarobia 13 Novambra 2013

Mifamahofaho be ihany ny fepetra raisina manodidina ireo olom-pirenena manan-jo hifidy saingy tsy voasoratra tao anaty lisi-pifidianana ka tsy afaka nandatsa-bato tamin’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana filoham-pirenena natao tamin’ny 25 oktobra 2013 teo.

Hafa ny ambaran’ny governemanta araka ny tapaka tamin’ny filankevitry ny minisitra, hafa ny ambaran’ny CENI-T. Ny mazava kosa anefa dia mahatsapa ny hadisoany ny CENI-T ka hanarina ny lesoka. Nisy ny fivoriambe nataon’ny CENI-T omaly nanapahan’izy ireo hevitra fa dia hisy lisi-pifidianana tovana ho an’ireo efa vita fanisana ka manana ilay sosona taratasy tamin’ny karine fanisam-bahoaka manamarina fa vita fanisana izy saingy hadino tsy voasoratra tao anaty lisi-pifidianana. Manamafy ny CENI-T fa tsy hisy fandraisana anarana vaovao na koa fanokafana lisi-pifidianana indray, fa dia ireo izay manana ilay sosona taratasy manamarina fa efa vita fanisana izy miampy ireo namoahan’ny fitsarana didy hosoratana ihany no hampidirina ka hatovana amin’ny lisi-pifidianana. Raisina eny anivon’ny Fokontany ireo fanamarinana ireo, ary tsy mbola namaritra fe-potoana farafandraisana izany aloha hatreto ny CENI-T. Fanontaniana mipetraka eto ny hoe : hanovana ny isan’ny birao fandatsaham-bato ve ny fisian’io lisitra tovana io ? Niisa 20.001 ny birao fandatsaham-bato tamin’ny fihodinana voalohany, ary tsy miova io raha ny tokony ho izy amin’ny fihodinana faharoa.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalĂ na ambony,

Hijery ny tohiny
FTT