Actualités

Vatsim-pianarana tsy nivoaka Nitokona ny mpianatra, tonga teny Ankatso ny Emmo-Reg


  • Talata 08 Novambra 2011


Vao maraina omaly dia efa nifamotoana ireo mpianatr’Ankatso mba hitokona. Tonga hatramin’ny fanakatonana ny vavahady miditra any amin’ny oniversite. Nidina teny amin’ny seranan’ny taksibe 119 izy ireo ary nanomboka naneho ny heviny. Ny anton’izany dia mba ho fanehoana ny tsy fankasitrahany ny tsy mbola nivoahan’ny vatsim-pianarana, olana izay efa matetika miverimberina ihany eny anivon’ny tontolon’ny fampianarana ambony. Nikoropaka indray ny tomponandraikitry ny oniversite raha nahita ity fihetsiketsehana ity. Nampandre ny mpitandro ny filaminana avy hatrany. Tsy ela dia tonga teny an-toerana ny miaramilan’ny Emmo-Reg roa kamiao. Nisy ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta, izany hoe ny mpianatra sy ny solontenan’ny mpitandro ny filaminana. Nilamina teo ny raharaha satria niala moramora ireo mpianatra. Na izany aza anefa dia nilaza izy ireo fa mbola hiverina hanohy ny fitakiana. Tsy mbola ho fantatra arak’izany izay mety havoaky ny anio. Ny tompon’andraikitra eo anivon’ny oniversite indray dia nilaza fa miandry kely ny vatsim-pianarana fa tsy hoe tsy misy akory. Misy taratasy karakaraina dia hivoaka izany. Mampametra-panontaniana avy hatrany hoe lalaovina ve sa kosa tsinontsinoavina ny vatsim-pianaran’ny mpianatra ? Io hatrany anefa no anton’ny fifandirana eny amin’ny fampianarana ambony matetika. Raha ny filazan’ny mpianatra dia tamin’ny volana aogositra ny vatsim-pianarana farany azon’izy ireo.
Gaby

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT