Actualités

Vatsim-pianaran’ny mpianatra Fitavozavozana no niteraka ny fahatarana


  • Alakamisy 10 Novambra 2011

Voatery nitondra fanazavana momba ny andraikitry ny ministera tamin’ny korontana nateraky ny fitokonan’ny mpianatra sasany teny Ankatso ny alatsinainy sy talata teo ka nisian’ny fifandonana tamin’ny Emmo-reg ny minisitry ny fampianarana ambony teo aloha, Rabesa Zafera Antoine.

 Raha ny taratasy natoron’ny DAF na tale ara-bola sy raharaha ankapoben’ny oniversite ireo mpianatra nitokona tokoa mantsy dia efa in-droa miantaona ny Oniversite no nandefa antontan-taratasy manentana ny fanjakana hanome ny famatsiam-bola anjarany. Mitondra ny laharana 92/UA/PR/VP2/2011 tamin’ny 04 oktobra 2011 ilay taratasy fampatsiahivana faharoa. Eo anatrehan’izany dia nanambara Rabesa Zafera fa efa vonona tao ny vola handoavana ny vatsim-pianaran’ireo mpianatra saingy noho ny fametraham-pialana nataon’ny governemanta dia tsy afaka nanao sonia ny taratasim-bola intsony ny ministera tomponandraikitra. Nampanantena koa ny tenany fa tsy ho ela dia hahazo ny vatsim-pianarana ny mpianatra raha amin’ity anio ity kosa no tokony hivoaka ny datin’andro fandraisana azy isaky ny fakiolte.

Lasa fomba fiainana sy fifampitondran’ny mpianatra, ny mpampianatra ary ny mpiasan’ny oniversite andaniny sy ny ny ministeran’ny fampianarana ambony ankilany tao anatin’izao tetezamita izao ny gidragidra. In-droa niova ny minisitra izay samy mpikambana Leader Fanilo fa ny eo ihany no eo. Tsy nisy mihitsy fotoana nampilamina teny Ankatso fa miandry fitokonana hatrany ny FAT vao mandoa ny tambin-karaman’ny mpampianatra, ny karaman’ny mpiasa ary ny vatsim-pianaran’ny mpianatra.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT