Actualités

Vato “tourmaline” tratra Afaka sahady ilay CST


  • Alarobia 05 Oktobra 2011

Omaly ihany dia fantatra fa afaka madiodio tamin’ilay raharaha naha voasaringotra azy ilay mpikambana CST iray.

 Ny loharanom-baovao no nahalalana fa natolotra ny Fitsarana tany Antsirabe ity raharaha ity niaraka tamin’ilay mpikambana CST. Ny fialan’ity farany tamin’ilay raharaha dia nolazainy fa ny mpamiliny no nokaramain’ireo Gineanina hitondra ireo vatosoa avy any Ikalamavony sy Ambositra. Araka ny voalazany mantsy dia nirahina tany an-toerana io mpamily io nitondra ilay fiaran’ny prezidansa ampiasain’ilay CST.

Rehefa niverina anefa ilay mpamily dia tsy nitondra inona ka izay no nahatonga azy nikarama iray tapitrisa ariary saram-pitaterana ireo vatosoa ireo. Nigadra moa ilay mpamily taorian’ny fanolorana ny raharaha tamin’ny Fitsarana. Mikasika ireo Gineanina kosa dia anio no voalaza fa hatolotra ny Fampanoavana any Antsirabe izy ireo. Betsaka ny resaka mandeha fa dia mety homena fahafahana izy ireo. Ho hita eo ny marina mikasika azy ity.

Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT