Actualités

Varotra sy fanjifana MAGRO vaovao 4 hisokatra


  • Alakamisy 07 Jolay 2016

Tantara mbola anisan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny raharaha Magro etsy Ankorondrano izay tsy navelan’ny tranoben’ny varotra nokasihina ankoatra ny tsy famelan’ny fitondram-panjakana

 

hikarakaran’ny orinasa TIKO ny tanin’ny filoha teo aloha Ravalomanana  Marc etsy Andohatapenaka.  Raha araka ny loharanom-baovao voaray dia tsy hijanona hatreo ny raharaha. Hisy mantsy ny resaka hifanaovan’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc amin’ny SADC mikasika ny fampiharana ny tondrozotra izay mamaritra ny amin’ny tokony hamerenana amin’ny tompony ny fananan’ireo rava sy simba fananana tamin’ny taona 2009. Ny fianakaviambe iraisam-pirenena no hanome mpisolovava azy amin’izany raha toa ka hiakatra amin’ny ambonimbony kokoa ny raharaha. Mikasika ireo CV maro be efa noraisin’izy ireo amin’ny fandraisana ireo mpiasa Malagasy tsy an’asa mba hiasa ao aminy dia fantatra fa tsy hipetra-potsiny akory izy ireny. Hisokatra afaka iray na roa volana eo ny Magro etsy Tanjombato. Toraka izany koa ny ao Toliara,  Fianarantsoa ary Toamasina. Mikasika ny  tsy fiparitahan’ny vokatra vokarin’ny TIKO eny amin’ireo mpaninjara, dia nanambara ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny  orinasa Magro fa mbola sahirana amin’ny fanangonana ronono izy ireo, satria tsy manana mpamatsy intsony. Miankina amin’ny fisian’ny ronono sy ny fivoaran’ny milina mpamokatra ao Andranomanelatra no ahafahan’izy ireo manaparitaka ny vokatra izay fantatra fa mbola eo am-panaovana andrana. Hatreto dia efa hita ao amin’ny orinasa Magro avokoa ny karazan’entana rehetra toy ny kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro, ny yaourt,  ny vary, ny menaka, ny Bon beurre…

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT