Varotr’olona

> Namidiny 2 tapitrisa tamin’ny vazaha ny zana-drahavaviny


  • Alarobia 22 Janoary 2014

Trangam-piarahamonina hafa indray no nitranga tany Toliara omaly. Nanizingizina ny renin’ilay ankizilahy 7 taona fa saika hamidin’ny rahavaviny roa tapitrisa Ariary tamina vazaha ny zanany nipetraka tany aminy.

Somary sahirana ara-pivelomana ny renin’ity zazalahy ity ka napetrany tany amin’ny nenitoany, izay misipa amina vazaha ny zanany, satria tsy arany ny sakafo sy ny fianarany. Nahazo loharanom-baovao avy tamin’olona ity renim-pianakaviana ity, fa hoe «amidy amina vazaha antitra ny zanany ka halefa any an-dafy». Nankany any amin’ny rahavaviny izy nanamarina ny resaka henony. Tsy fantatra izay niseho tao fa ny fifamaliana mafy teo amin’izy mirahavavy no nanaitra ny manodidina, ka vetivety dia niely eran’ny tanàna ny feo.

 

 

Trafikana taova ?

 

 

Marihina fa tamin’iny taona 2013 iny dia betsaka ny zaza very nanaovana antso tamin’ny haino aman-jery samihafa. Misy amin’izy ireny no tsy hita popoka hatramin’izao, hoy ny loharanom-baovao iray marim-pototra. Tao Toliara dia nisy ihany koa trangana vono olona hafahafa nampiahiahy ny mponina, satria tamina fatina lehilahy iray hita dia tsy teo intsony ny masony roa sy ny filahiany. Nanomboka teo dia niely ny tsaho manodidina ny resaka trafikana taova, indrindra ny telo volana farany ny taona nivalona iny. Mbola manjaka ao an-drenivohitry ny faritra Atsimo Andrefana ny «radio voatavo» ka nampahazo laka ny honohono mampikorontana. Tondro molotra tsy misy porofo mantsy dia hamoizana aina noho ny fitsaram-bahoaka. 

 

 

 E.R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Filohan’ny fanavaozana
  • Zoma 05 Jona 2026

"…Azo henjehina ny mpikamban’ny

  • ClĂ©mence Raharinirina "
  • Zoma 05 Jona 2026

Ny mpanenjika misy foana,

  • ADY AMIN’NY KOLIKOLY
  • Zoma 05 Jona 2026

Tanora manana kolontsaina

  • METFP sy ny BIANCO
  • Zoma 05 Jona 2026

Hiara-hiasa hiadiana ny

Hijery ny tohiny
FTT