Valanaretina pesta

> 75 izao no efa matiny


  • Zoma 10 Janoary 2014


Nirongatra indray ny valanaretina pesta teto Madagasikara, voamarika izany hatramin’ny volana septambra 2013 no ho mankaty. Vanim-potoana itrangany rahateo ny fahavaratra toy izao, izay sady mahabe loto sy fako, ny olona koa somary kelikely hery ateraky ny tsy fahampian-tsakafo vokatry ny maitso ahitra. Nisy 319 teo ny heverina fa trangana pesta ka namoy ny ainy ny 75 tamin’ireo. Farany teo aza dia fantatra fa misy tranga telo vaovao tany Tsiroanomandidy, saingy efa manaraka fitsaboana ireo olona voany. Araka ny filazan’ny ministeran’ny fahasalamana dia Distrika fito no nitrangan’ity valanaretina pesta ity saingy efa voafehy tanteraka izany ankehitriny. Ny tsy fahampian’ny fandraisana an-tanana ny marary, ny tsy fanatonana hopitaly ary ny fomba amam-panao mazàna no anisan’ny manamora ny fiparitahan’ity valanaretina ity.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT