Actualités

Vahoaka Miray Hanohana ny hetsiky ny gadra politika anio


  • Alakamisy 05 Janoary 2012

Tsy maintsy tanterahina hatramin’ny farany ny tolona, hoy ny VAMI (Vahoaka Miray), fivondronan’ny mpitolona mpandala ny ara-dalàna hatrany am-boalohany, fa izay no efa nimatimatesana.

 Hotohizina ny hetsika fanehoan-kevitra am-pilaminana, hoy ry zareo. Hotoherinay ny fanaovana tohatra fiakarana ny vahoaka izay antom-pijoroanay ankehitriny. Tsy misy afaka mihambo ho tompon’ny hetsika sy Magro, hoy ny VAMI, fa ny olon-tsotra no nitarika teny am-boalohany vao nanaraka ireo mpanao politika rehefa hita fa masaka ka tsy tokony ho tampenam-bava ny mpitolona. Fantatra fa hanohana ny hetsika hataon’ireo fianakavian’ireo gadra politika mbola voatazona any am-ponja anio, ho eny amin’ny Ambasadin’i Afrika Atsimo eny Ankorondrano, ry zareo VAMI. Hetsika ho fitakiana ny fampiharana ny sori-dalana, indrindra ny andininy faha-16 sy faha-17 ary faha-20.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT