Tranga iray nanamarika ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-56 niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara ny fahavitsian’ny saina nihofahoha teny rehetra teny.
Latsaky ny 50% ny vahoaka malagasy nanangan-tsaina nandritra ny fetin’ny 26 jona 2016, araka ny hita sy tsapa teny anivon’ny fiarahamonina ifotony. Antony maro no nahatonga izany fa lehibe indrindra amin’ireny ny lafiny fahefa-mividin’ny vahoaka malagasy. Tsy laharam-pahamehana ho an’ny fianakaviana moa ny fahazoana saina sandaina 1.000 ariary hatramin’ny 15.000 ariary manoloana ny fahantrana lalim-paka sy ny fahasarotan’ny fiainana. Mifototra any amin’ny fitadiavan-tsakafo isan’andro rahateo ny vola miditra amin’ny isam-batan’olona amin’izao fotoana izao. Tsy fankasitrahana tsotra izao ny fomba fitantanana ny raharaham-pirenena misy ankehitriny kosa no antony iray hafa goavana nampikomy ny ampahany betsaka tamin’ireo tsy nampiaka-tsaina. Mahatsiaro ho tsy mahaleotena mantsy ireto farany noho ny fahasahiranana sy ny firongatry ny kolikoly eto amin’ny firenena, araka ny fanehoan-kevitra heno tetsy sy teroa.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.