Université Privé de Madagascar

> Nivoaka ny andiany Mahatsangy sy Fanilo


  • Alatsinainy 11 Novambra 2013

Namoaka ny andiany Mahatsangy sy Fanilo tetsy Iavoloha tao amin’ny Espace Salohy ny sekolim-pampianarana ambony tsy miankina amin’ny fanjakana UPRIM ny sabotsy lasa teo.

200 amin’izy ireo no nahazo ny mari-pahaizana BTS, izany hoe nahavita fiofanana 2 taona taorian’ny fahazoany ny bakalorea, 40 kosa nahazo ny mari-pahaizana Master I satria nahavita 4 taona. Efa afaka miatrika ny sehatry ny asa na koa mifaninana ho amin’ireo sekolim-panjakana ambony ireto farany ireto satria efa nahazo fanamarinana tamin’ny Ministeran'ny asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy sy Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika. Mbola mila manohy mandalina bebe kokoa kosa iretsy voalohany mba hahatonga azy ireo ho tena afaka misedra ny fifaninanana eo amin’ny tontolon’ny fitadiavana asa. Samy efa nahavita ny fampiharana ireo fahalalana  norantoviny avokoa ireto mpianatra navoaka tamin’ny fomba ofisialy ireto ka tao ireo izay nanatontosa izany tany amin’ireo orinasa miara-miasa amin’ny sekoly ary tao koa ireo izay nanangana  tetikasa mihitsy ho fampiharana. Sampam-piofanana “gestion et management”, “commerce et marketing”, «droit» ary «communication» no narahan’izy ireo. Notoloran’ny orinasa Telma izay anisan’ireo mpiara-miasa amin’ny sekoly UPRIM fanomezana manokana moa ireo mpianatra mahay indrindra isaky ny andiany. Fantatra nandritra ny lanonana moa fa amin’ity herinandro ity no hiditra indray ny andiany manaraka ao amin’ny UPRIM.

 

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT