Naharitra ora maro ny fiandrasan'ny maro ny fitsarana ilay teratany sinoa, Zhuo Yong Diao, teny Anosy omaly.
Rehefa tonga ilay Sinoa dia nanomboka ny fotoam-pitsarana. Nialoha izay dia nisy lehilahy iray nanatona ny solontenan'ny Fampanoavana niresaka taminy. Avy eo nanatona ny mpiraki-draharaha ilay lehilahy io. Taorian'izay dia nanatona avy hatrany ny filohan'ny Fitsarana ilay lehilahy sy ny mpiraki-draharaha. Minitra vitsy taorian'izay dia nantsoina ilay Sinoa sy ireo mpitory azy. Nilaza ramatoa filohan'ny fitsarana fa noho ny tsy maha eo am-pelatanan'izy ireo ny dosie mikasika ity raharaha ity dia ahemotra amin'ny alatsinainy izao ny fotoam-pitsarana.
Araka ny voalazan'ny filohan'ny Fitsarana ihany dia any amin'ny ministeran'ny Fitsarana ilay dosie. Sady tsy nahateny no tsikaritra ho kivy ny renin'ilay lehilahy mpiasan'ilay Sinoa tonga nanatrika teny Anosy. Araka ny voalazan'ireo fianakavian'i Pierrot, mantsy ilay voadaroka, dia efa hatrany amin'ny hopitaly izy ireo no niharan'ny fanilikilihana. anisan'izany ny fakana “certificat médical” izay saika tsy homen’ilay dokotera mpitsabo. Rehefa nanome indray izy dia zara raha nahazo dimy andro tsy ahafahana miasa i Pierrot. Na izany aza, hoy ireo fianakaviana dia matoky ny fahendren'ny fitsarana izy ireo amin'ity raharaha ity. Ny tsiliantsofina kosa no nahalalana fa ny minisitry ny Fitsarana mihitsy no naka ilay dosie mba hojereny ny ao anatiny. Niteraka savorovoro teto amin'ny firenena mantsy ity raharaha ity ka tsy azo ambaniana araka ny tsiliantsofina ihany ka izay no nahatonga azy hijery ilay dosie mihitsy. Ho hita eo indray ny zava-hitranga amin'ny alatsinainy fa betsaka ireo olona izay miandry fatratra ary manaraka akaiky ity raharaha ity.
Solonirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.