Tsy naneho hevitra ny 49%-n’ny mpifidy

> Taha ambony indrindra teo amin’ny tantaran’i Madagasikara


  • Alakamisy 26 Desambra 2013

Ny taona 1993 no nanomboka nahazo vahana teto Madagasikara ny tsy fahazotoan’ny olom-pirenena maneho ny adidy masina mandrotsa-bato amin’ny androm-pifidianana.

Nahatratra 25,57% mantsy ny salanisan’ireo Malagasy feno taona tsy tonga nifidy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena. Nitombo hatrany amin’ny 41,59% ny taha tsy fandraisan’anjaran’ny mpifidy Malagasy nandritra ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 1996. Nidina kely teo amin’ny 32,14% io tarehimarika tsy fandehanan’ny olom-pirenena manefa adidy fanehoan-kevitra io ny taona 2001. Niakatra ho 38,07% indray ity salanisa tsy fandraisana anjaran’ny mpifidy Malagasy ity ny taona 2006. Nandritra ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany tamin’ny 25 oktobra 2013 lasa teo dia mbola io 38,14% io ihany no isan’ireo olom-pirenena tsy tonga nandrotsa-bato nisafidy izay olona tiany hitondra ny firenena malagasy. Tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa notanterahana ny zoma 20 desambra 2013 farany teo dia tena efa manakaiky ny antsasa-manilan’ny mpifidy voasoratra anarana tao amin’ny lisi-pifidianana no tsy tonga nifidy satria hatramin’izao dia vinavinaina ho 49% mahery ny taha tsy fandraisana anjaran’izy ireo. Dia tena leo ny mifidy tokoa ve ny olom-pirenena Malagasy sa misy antony hafa tsy maharesy lahatra azy haneho ny safidiny?

 

Ramano F.

 



Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT