Actualités

Tsy milamina ny tany Mpanao gazety eto an-drenivohitra nisy naka an-keriny


  • Zoma 16 Septambra 2011

Nisy naka an-keriny ny mpanao gazety iray miasa amin’ny orinasana haino aman-jery lehibe eto an-drenivohitra ny sabotsy teo.

 Teo Antanimena, izy no nizotra an-tongotra tsimoramora rehefa avy niala taxi-be no nisy fiara 4x4 iray nijanona nanaraka azy ary niantso azy hiditra avy hatrany tao anatiny fa misy zavatra resahina. Vao tafiditra tao anefa izy dia tsy nisy niteny intsony ireo tao anatin’ny fiara fa ny iray teo anilany no nitifitra totohondry ny tavany ary nanohaka azy tao ambany seza tao. Lalana sahabo ho 30 minitra eo ho eo no nalehanay, hoy ny fitantaran’ity mpanao gazety ity dia feona vavahady no henoko avy eo ary mbola niditra lavidavitra ny fiara vao nitsofoka tao anaty garazy avy eo. Nisy varavarana nampitohy ny tao an-trano ilay garazy ka nampidirin-dry zareo tao an’efitra aho ary nasain-dry zareo nipetraka tamin’ny gorodona vita simenitra.

Ny zavatra nolazain-dry zareo avy eo, hoy ihany ny fitantaran’ity mpanao gazety ity dia ny hoe : “nahoana no tsy navoakanareo ny vaovaonay ?”. Rehefa nanontaniana ny amin’izany vaovao izany anefa ireto olona naka an-keriny ireto dia tsy namaly na inona na inona ary nilazan’ity mpanao gazety ity fa tsy misy vaovao tsy mandeha izany ao aminay ! In-telo isan’andro ireto olona ireto no miditra ao an’efitra nitazomana ity mpanao gazety ity ary izay hatrany ny fanontaniana napetrak’izy ireo. Tsy nisy fikasihan-tanana intsony avy eo, hoy izy ary nanome ahy sakafo ry zareo. Nogiazana kosa ny findany fa rehefa misy miantso dia hanontanian-dry zareo fotsiny hoe : izy io. Ny vadiko sy ny tany am-piasana no niantso tamin’izany, hoy izy. Omaly alakamisy maraina  vao navotsotr’ireto mpaka an-keriny ireto ity mpanao gazety ity rehefa notanan’izy ireo 5 andro be izao, ka teny amin’ny “Boulevard de l’Europe” manakaikikaiky ny fonenany no napetrak’ilay 4x4 naka azy ihany ary mbola totohondry indray mandeha tahaka ny tamin’ny voalohany indray no azony teo am-pisarahana. Efa nametraka fitoriana any amin’ny BC ity mpanao gazety ity tamin’io omaly io ihany ka ho hita eo ny fizotry ny famotorana.

 

Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT