Actualités

Tsy fandriampahelamana any Betroka Nihena hatramin’ny 98%, hoy ny depiote Nicolas


  • Zoma 08 Jolay 2016

Tapitra ny Ramadany na ny iray volan’ny fifehezana ho an’ny mpino Silamo ka nivoaka tamin’ny fahanginany amin’izay ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas voafidy tany amin’ny distrikan’i Betroka.

  Nanambara àry izy fa na dia filohan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena aza ny tenany dia tsy afaka mitsidika an’i Madagasikara manontolo hiresaka ny tontolon’ny tsy fandriampahalemana sy ny soso-kevitra hitany fa mety hahafoana an’izany tsikelikely, raha tsy milamina aloha ny tontolon’izany fandriampahalemana izay ohatry ny somary goragora tao ho ao. Azoko ambara fa efa nihena hatrany amin’ny 98 % any ho any ny tsy fandriampahalemana ankehitriny any Betroka ka hangataka solika amin’ny tompon’andraikitra mahefa ny tenako mba hahafahana mitondra ny soso-kevitra natao tany Betroka hampiharina any amin’ny faritra hafa manerana ny nosy, hoy izy. Mikasika ny volavolana fehezan-dalàna mifehy ny fifandraisana mahabe resaka ankehitriny kosa dia nambarany fa raha vonona hanao ny asany amin’ny fitaterana vaovao mahitsy sy marina ny mpanao gazety dia tsy hita izay hahatahorana amin’io. Hanangana ny “Commission d’enquête” tamin’ny zava-niseho natao tety amin’ny Lapan’i Tsimbazaza tamin’ity herinandro ity izahay depiote tamin’ireny fandakana varavarana natao sy fanompana depiote nisy ireny, hoy ny depiote Nicolas Randrianasolo.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

Hijery ny tohiny
FTT