Actualités

Tsy aritra Tsy vonona ny hamonjy ?


  • Alakamisy 16 Febroary 2012

Raha jerena mivantana ety ivelany dia hita fa niasa tokoa ny mpamonjy voina ao Tsaralalàna amin’ireo fanalana ny hazo mety handratra eny amin’ny lalana tamin’ny fandalovan’ny rivodoza ny 14 febroary 2012 lasa teo.

 Raha araka ny re anefa dia hita fa tsy ampy olona angaha ny ao amin-dry zareo sa ahoana ? Misy ireo faritra tena tandindonin-doza tanteraka mantsy mba niantso vonjy an-dry zareo an-telefaonina kanefa valy boraingina hatrany no namaliany an’ireo olona ireo. Toy ity nitranga tetsy amin’ny faritra Ambondrona ity, araka ny fitantaran’ny niharam-boina. Tokony ho tamin’ny 4 ora maraina teo ny 14 febroary 2012 nandalovan’ny rivodoza teto Antananarivo, dia niatomboka nirodana ny trano iray tena mifanila ny tranon’ilay nila vonjy. Natahotra ireo olona ireo satria tena mifanakaiky tanteraka an’ilay trano nirodana ny an-dry zareo ka niantso haingana ny mpamonjy voina an-telefaonina izy ireo, sao dia mba tokony hojerena ny fomba handrodanana ilay trano rava, satria mety hihatra aman’aina koa ny fianjeran’io raha toa ka hitontonan’io trano nirodana io ilay trano nifanila taminy. Inona anefa no navalin’ny tao amin’ny mpamonjy voina ?

Tsy mbola afaka mandeha any, hono, ry zareo fa fefeo aloha ilay trano mirodana ary mialà ianareo aloha ao fa amin’ny 7 ora maraina ry zareo vao afaka mijery izany. Niaritra ny mafy tao ireo olona ireo. Hifindra ho aiza moa amin’ity rivotra nisafotofoto ary tranon’iza no hivantanana ao anatin’izany ? Niandry ny sitrapony ireo olona ireo. Hatramin’ny andro tolakandro efa nahalasa ny rivodoza, tsy mbola tonga ny mpamonjy voina mba hijery ilay trano nirodana satria mbola misy andrin-trano lehibe hatahorana hianjera tao. Niantso fanindroany indray ireo tandindonin-doza.

Ny navaliny indray, hono, dia hoe : ny ain’ olona aloha no hovonjeny fa mandehana ianareo miala ny trano fa amin’ny manaraka ry zareo vao hijery izany. Mipetraka ny fanontaniana hoe rehefa loza mananontanona tahaka ny ahoana moa no tokony hovonjen’ny mpamonjy voina ny olona ? Moa ve io loza niantsoana azy ireo io tsy resaka aina tokony hovonjena ? Na izany aza dia nisaotra an’Andriamanitra izy ireo. Tsy nisy fahasimbana be ny trano na dia nitontonan’ny tafo sy ny hazo lehibe ary ireo biriky avy ao amin’ilay trano rava aza ny tranony. Tsy nisy koa ny naratra na aina nafoy. Mampanontany tena amin’ny mpamonjy voina ihany koa anefa ny hoe : Misy karazana voina azo vonjena ve ary misy koa karazana voina mbola miandry ny famonjena azy na dia efa eo am-bavahoan’ny loza aza ? Sa efa misy maty vao atao hoe famonjen’aina amin-dry zareo ? Matoa ny olona niantso azy ireo dia noho ny fahatokisany sy ny fianteherany azy fa ry zareo no afaka manavotra ny loza hosedrainy.

R.J.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT