Na ahoana na ahoana ambaran’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Jirama dia ho sarotra ho azy ireo ny hanadio tena manoloana ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny eto Antananarivo sy ny manodidina tato anatin’ny herinandro izay.
. Efa nisy ihany io delestazy io fa efa tena sangy mihoatra ny loha ny nitranga nanomboka ny alatsinainy lasa teo. Tapaka adim-pamantaranandro 10 mantsy ny herinaratra tamin’ny faritra sasany, ny an’ny hafa kosa dia 2 ka hatramin’ny 5 ora ny fahatapahana, tsy misy ny filazana na fampahafantarana mialoha, fa tonga dia tapaka ho azy ny jiro. Maro ireo orinasa, indrindra fa ireo miasa amin’ny alina no tena sahirana amin’izany. Betsaka ny asa tsy vita ary dia misy akony ratsy amin’ny fidiram-bolan’ny orinasa izany. Nitazaroka ny fanazavana avy amin’ny Jirama, tsy misy mandray ireo hoe laharana an-telefaonina napetraka mba hitarainan’ny mpanjifa. Indraindray aza dia miavona ary miala bala tsotra izao tsy mety miresaka amin’ny mpanao gazety ireo tompon’andraikitra ary tena mifanilaka andraikitra mihitsy.
Omaly dia fahataran’ny famatsiana solika no nambaran’ny tompon’andraikitry ny Jirama fa nitarika ireny delestazy lavareny tamin’ny faritra maro teto Antananarivo sy ny manodidina ireny. Ry zareo ao amin’ny ministeran’ny harena ankibon’ny tany sy ny solika anefa mbetika milaza fa tsy misy olana ny famatsiana ary ampy ny tahirin-tsolika. Ka inona marina ny zava-mitranga ao amin’ny Jirama ao ? Tsy ampy ny vola hividianana gazoala hampandehanana ireo milina mpamokatra herinaratra sa ny tariby mihitsy no fongan’ny mpangalatra ? Ny tena mahasorena ny mpanjifa dia ny fahafantarana fa misy ireo olona ambony maka vola amina miliara tao amin’ny Jirama, noho ny antony tsy mazava tsara akory. Misy ifandraisany amin’izany ve izao fahatapatahan’ny jiro izao sa ahoana ? Mety ho raharaha ny hitranga eto rehefa tena tonga ny fahavaratra, fa mety haharitra andro maromaro mihitsy ny delestazy, hoy ireo mpanjifa leon’ny mihafy lava.
Tsara homarihana fa tapaka lava koa ny rano amin’ny faritra maro eto an-drenivohitra, noho ny antony tsy fantatra mazava ary tsy mba misy mihitsy ny fampilazana mialoha. Nitady ny fomba rehetra hanavotana ny Jirama ny fitondrana Ravalomanana ary efa nisy ny famatsiam-bola azo tamin’izany. Maro be ireo fandaharan’asa tsy maintsy napetraka, tsy maintsy natao ny fanadiovana eo amin’ny fomba fitantanana sy ny fomba fiasa. Napetraka ny politikan’ny angovo, misy ny dingana fohy ezaka sy lavitr’ezaka. Nokianina mafy anefa ny fitondrana teo aloha ary nambara fa mivarotra ny Jirama amin’ny vazaha ary manapotika ity orinasa ity. Tonga teo amin’ny fitondrana ny FAT dia naato ny ankamaroan’ireo fanitsiana sy fanatsarana ny fomba fiasa tao amin’ny Jirama. Niverina tsimoramora ny gaboraraka. Dedaka ery ny FAT nilaza fa azo atao amin’izay ny mampiditra herinaratra, dia izao iaraha-mahita izao ny vokany ary tena ho sarotra ny hanavotra ny Jirama, raha ny filazan’ireo miasa ao amin’ity orinasam-panjaka ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.