Actualités

Tsy Aritra Rombo be nanala baraka !


  • Alarobia 02 Novambra 2011

Nalaza taty Afrika tamin'ny fampiantranoana ny Afrobasket Women sy Men isika teto Madagasikara ary afaka nirehareha mihitsy ny federasionin'ny taranja basket-ball fa mahavita azy sy afaka nampiseho fa mahay mikarakara hetsika goavana tahaka ireny i Madagasikara na dia mandalo krizy aza.

 Na ny federasiona hafa aza dia mba nalahelo fa tsy nahazo fanampiana ara-bola amina miliara tahaka ny an'ny baskety. Efa nanazava ny amin'io moa ny filohan'ny federasionin'ity taranja ity ka tsy tokony hitarina be ny resaka. Nanamaloka izany rehetra izany ny rombo sy savoritaka tao amin'ny lapan'ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina ny alahady hariva teo nandritra ny famaranana ny fiadiana ny tompondakan'i Madagasikara sokajy lehilahy N1 A. Nifanandrina ny Ascut (Toamasina) sy ny Ascum (Mahajanga), ekipa roa tena manana ny maha izy azy, samy ahitana mpilalao nandrafitra ny ekipam-pirenena ary hita ho tena niady ny lalao. Asa na noho ny hafanam-po be loatra na nateraky ny hafanan'ny zavatra nosotroina fa dia nifandramatra ireo mpijery sasany, niditra teny amin'ny kianja mihitsy, raikitra ny totohondry sy daka. Voalaza fa nisy namoaka antsy. Hita tamin'ny TVM mivantana avokoa izany rehetra izany. Nisy ny naratra tsy maintsy nentina tany amin'ny hopitaly ary dia naato minitra lavalava mihitsy aloha ny lalao.

Ny tena nahagaga tamin'ity tranga ity dia ny tsy fahampian'ny mpitandro ny filaminana mba handamina ny raharaha. Efa ho 10 minitra no nisian'ny rombo kanefa dia tsy nisy polisy na zandary na dia iray aza nandray andraikitra fa dia samy nanao izay tiany teo ireo vatan-dehilahy nieritreritra azy ho mafy be. Misy tobina zandary sy kaomisarian'ny polisy anefa tsy lavitra ny lapan'ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina. Nanaitra ny maro koa ny hoe efa lalao avo lenta be tahaka ireny ve dia natao marefo ny fitandroana ny filaminana na dia efa fantampantatra ihany aza ny mety ho fihetsiky ny mpijery sasany, ary nahoana koa moa no nisy zava-maranitra tafiditra ? Na ahoana na ahoana ambara dia afa-baraka aloha ny federasionin'ny taranja baskety satria nanao tandrevaka tamin'ny fikarakarana ny fitandroana ny filaminana sy fandriampahalemana. Dia efa azo sary an-tsaina ny vavan'ireo nanakiana mafy ity federasionina ity. Efa nisy mihitsy moa ny niteny ny alahady teo ihany hoe varivarian'ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso ny federasionin'ny Basket-ball. Afa-baraka ihany koa ny fanatanjahantena malagasy amin'ny ankapobeny. Mila mandini-tena ihany koa ireo mpanohana ny ekipa tsirairay avy fa tsy dia he tsy maintsy hiafara amin'ny rombo foana ny lalao iray, ary manomboka izao dia tokony ho hentitra ny fisavana ireo mpijery alohan'ny hidirana ny kianja na inona na inonana lalao mitranga ao. Lesona ho an'ny mpikarakara koa ireny fa mila atao hentitra ny fitandroana ny filaminana fa tsy vitan'ny olona 10.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT