Ekena fa maina ny tany, tsy misy ny orana, lafo be ny solika, hany ka sahirana ny Jirama amin'ny famokarana sy famatsiana ny jiro sy ny rano.
Nibaboka mihitsy moa ny tomponandraikitra tao amin'ity orinasa ity fa tena tsy afaka manao na inona na inona izy ireo fa dia miandry izay hilatsahan'ny orana. Tsy mbola afaka mandatsaka orana artifisialy koa mantsy, hono, araka ny nambaran'ireo teknisianina eny amin'ny météo. Dia tapaka isan'andro izany aloha ny jiro sy ny rano eto Antananarivo sy ny manodidina, miampy ny any Antsirabe mandrapahatonga ny orana misimisy afaka hampitombo ny rano eny Andekaleka sy Mandraka ary Sahanivotry. Ireo tohodrano lehibe 3 ireo mantsy no mamokatra ny herinaratra ho an'Antananarivo sy Antsirabe. Tena tsy ampy ny herinaratra vokatra ka tsy maintsy mitsitsy amin'ny alalan'ny delestazy ny Jirama, izay ary izay ihany aloha no azo atao, dia samy miafy aloha izany.
Mety mba tsy dia naharitra loatra tahaka ny misy amin'izao fotoana anefa ny delestazy raha toa nitohy araka ny tokony ho izy ny fanarenana ny Jirama natomboka tamin'ny 2004 ary nanakianana mafy ny fitondrana Ravalomanana izay nanana politikan'ny angovo mazava tsara ahitana ny fanarenana sy fanatsarana ny Jirama ary fananganana toeram-pamokarana angovo maromaro isam-paritra hatramin'ny 2020. Maty momoka avokoa anefa ankehitriny izany noho ny fanonganam-panjakana nisy teto, ary ny tena loza dia dedaka namerina ny fampidirana jiro sy fizarana kaontera vaovao ny Jirama tamin'ny 2009 mba hamalifaliana ny olona angamba sy hilazana fa mahavita azy ny FAT.
Efa fantatra mazava tsara anefa ny lafiny teknika tamin'izany fotoana fa tsy ampy ny herinaratra vokarina eto Madagasikara ary maty antoka isam-bolana ny Jirama, fa dia mbola nirosoana ihany ny fampidirana jiro. Roa taona sy tapany aty aoriana dia izao iaraha-mahita izao ny vokany fa delestazy mandavan-taona, na ririnina na fahavaratra, ary tsy hivaha vetivety io olana io satria mila vola be sy fahaiza-miasa matotra. Mety ho amin'ny taona 2013 anefa vao tena hiverina tanteraka ny famatsiam-bola avy any ivelany. Koa inona izany no hitranga eo anelanelan'izay ? Nidiran'andro araka ny fomba fiteny ny mpitondra FAT raha ity Jirama ity noresahana satria ny namalifaly vahoaka no tanjona, kinanjo fahasosorana isan'andro no azo. Tsy ny fahamainan'ny tany na ny tsy fisian'ny orana fotsiny no mahasahirana ny Jirama fa ny gaboraraka sy fitantanana tsy mahomby tao, indrindra fa nanomboka tamin'ny 2009.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.