Tokony hahay handray lesona amin’ny zava-nitranga tany Afrika ny mitondra tetezamita eto amintska ka tsy hanao ambanin-javatra ny fampihavanam-pirenena tena izy, tsy hihazakazaka amin’ny fifidianana ary ny famahana ireo olana ara-tsosialy mampimenomenona ny olona isan’andro.
Niaraha-nahita ny nitranga tany Cote d’Ivoire, naharitra fito taona ny tetezamita, in’enina nahemotra ny fifidianana filoham-pirenena, raikitra ihany ny fifidianana avy eo, nisy ny fanampiana sy mpanara-maso avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena, natsangana ary niasa ny CENI, saingy mbola gidragidra ihany taorian’ny fivoahan’ny voka-pifidianana. Tao RDC kosa dia nifandirana ihany koa ny voka-pifidanana ka nahalany ny filoha Joseph Kabila. Tsy manaiky ny mpanohitra satria milaza fa nisy ny hosoka sy ny hala-bato. Ary farany teo dia ahiana ny hipoahan’ny ady an-trano noho ny resaka finoana sy fivavahana any Nizeria, firenena be mponina indrindra aty Afrika satria mifandramatra ny mpino silamo sy kristianina. Ireto farany moa dia nanambara tamin’ny fomba ofisialy mihitsy fa tsy afaka ny handefitra foana izy ireo fa tsy maintsy hampiasa ny hevitra rehetra hiarovan-tena manoloana ny fampihorohoroana ataon’ny silamo.
Misavorovoro ny any Nizeria amin’izao fotoana, satria ankoatra ny adin’ny silamo sy ny kristianina dia niakatra ihany koa ny vidin’ny solika. Mpitrandraka sy mpamokatra solika anefa ity firenena ity, hany ka tezitra sy sorena ny olona, izay mahatsiaro fa iharan’ny tsy rariny sy ny fanararaotan’ireo orinasa goavana vahiny. Sahiran-tsaina, araka izany, ny filoha Nizerianina Goodluck Jonathan izay vao voafidy tamin’ny herintaona, satria tsy ho mora ny handamina ity firenena ity ary efa tena eo an-tokonam-baravarana mihitsy ny ady an-trano. Kaontinantan’ny fahantrana sy ny korontana ary savorovoro isan-tsokajiny i Afrika, ary toerana fanaovan’ny vazaha fotsy hoditra izao fanandramana rehetra izao.
Mila mailo sy mitandrina fatratra noho izany ny mpitondra eto amintsika. Hatramin’izay mantsy dia krizy mbola maivamaivana ihany raha oharina ny tamin’ny nitranga tatsy Afrika ny nisy teto, ary tsy nisy izany hoe Malagasy nifamono am-polony taona izany. Ny fandaminana ny firenena amin’ny alalan’ny fametrahana ny fitoninana izao no tena zava-dehibe, raha ny fandinihana azy, fa tsy ny fihazakazahana amin’ny fanaovana fifidianana sy fisakanana ny mpanohitra haneho hevitra. Mahalala sy mahatsapa izany ve ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, izay tompon’ny fanapahan-kevitra farany eto ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.