Actualités

Tsy Aritra Mifandripaka an-trano !


  • Alarobia 29 Febroary 2012

Mbola miafina any amin’ny toerana tsy fantatra hatramin’izao ny mpanao gazety Jean Paul Randrianiaina, izay nambara fa tompon-kevitra tamin’ny famoahana trakta milaza fa hisy asa fanakorontanana goavana eto Antananarivo ny alin’ny 6 febroary lasa teo.

 Nanamarika ny avy ao amin’ny ministeran’ny serasera fa tsy nitory an’ity mpanao gazety ity, saingy kosa nandefa ny dosie any amin’ny fampanoavana mba hahafantarana ny tohin’ny zavatra tokony hatao. Tsy midika velively ho fametrahana fitoriana izany, hoy ny minisitra Harry Laurent Rahajason. Nambarany ihany koa fa diso ny vaovao naely teto an-drenivohitra milaza ny hisamboran’ny DST an’i Jean Paul R. Misy zavatra mampiahiahy azy angamba matoa izy miafina fa tsy misy mihitsy aloha hatreto ny didy fampisamborana. Misafotofoto be ihany ity raharaha ity, ary tsy fantatra ny tena marina nahatonga io mpanao gazety sady mpikambana tao amin’ny kabinetran’ny minisitra io hitsoaka sy hiafina. Karazam-baovao sy vinavina nalefan’i Jean Paul Randrianiana tamin’ny alalan’ny adiresy e mail, tany amina olona vitsivitsy io ambara fa trakta miendrika fanakorontanana sy fampihorohoroana io, raha ny filazan’ny onjampeo tsy miankina iray eto an-drenivohitra.

Tsy nanana eritreritra ratsy hanaparitaka azy io mihitsy ity mpanao gazety ity, saingy efa niparitaka be moa ilay izy ny tontolo andron’ny 6 febroary. Manoloana izany dia mipetraka ny fanontaniana amin’ireo mpanara-baovao. Inona no tena anton’ity trakta ity ? Nahoana no tafiditra lalina tao anatin’io i Jean Paul R ? Inona no mahatonga ny ministeran’ny serasera mandefa avy hatrany ny dosie any amin’ny fampanoavana, raha honohono ny voasoratra tao amin’ny trakta ? Raha tsy nanana eritreritra ny hanaparitaka azy mba hampihorohoroana ny teto Antanananarivo i Jean Paul Randrianiaina, dia inona no anton’izao fihetsiketsehana rehetra izao ?

Taorian’ny nandroahana ireo mpanao gazety nanao famakafakana tao amin’ny Viva Radio sy ny nanesorana ny iray tamin’izy ireo tao amin’ny prezidansa izany, dia i Jean Paul R no mpanao gazety fahatelo, nanohana sy niara-niasa akaiky tamin’i Andry Rajoelina tamin’ny 2008-2009, voailika sy tratry ny ramatahora ankehitriny. Araka ny filazan’ireo olona akaiky azy anefa, dia tena nahavita be mihitsy ity mpanao gazety ity tamin’ny fanampiana sy fanohanana ny filohan’ny tetezamita, ary mety tsy ho lasa filoha mihitsy aza, ingahy Rajoelina raha tsy nisy azy. Azo itarafana ny tsy fahamatorana sy ny fikorontanana anaty eo amin’ireo samy mpanohana an’i Andry Rajoelina koa anefa ity tranga ity. Manaporofo izany ny nambaran’ny olona sasany fa ny nandrodana no tena hain-dRajoelina sy ny ekipany, fa tsy ny mitantanana firenena, ary tsy ilaina akory ny miady aminy, fa mifandripaka sy mifamely ao an-trano tsimoramora ao ihany izy rehetra.
 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT