Hanomboka amin’ity alarobia 11 janoary ity ny lanonana fiarahabana ny filoha mivady eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, ka ireo andrim-panjakana no hisantatra izany.
Fomba fanao nolovaina tamin’ny mpitondra teo aloha moa izy ity, ary dia niova endrika kely amin’izao fitondrana tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina izao. Tsy hivalamparana ny momba ny fety sy ny lanonana na ny vola holaniana mandritra ny efatra andro, fa tsy aritra kely momba ny daty fotsiny no hoentina eto. Maro no nieritreritra fa hotanterahana amin’ny herinandro voalohany amin’ny taona ity fifampiarahabana eny an-dapa ity, satria iaraha-mahalala ihany fa mila mandeha haingana ny famahana ny krizy sy ny asan’ny tetezamita, ary maro ihany koa ny zavatra miandry izay kabarin’Atoa filoha eo, tahaka ny fampisondrotan-karama, ny famotsoran-keloka na fampihenan-tsazy, ny famaritana ny politika ankapoben’ny fanjakana, ny fepetra horaisina amin’ireo karazana olana mipoitra etsy sy eroa.
Efa tao anatin’ny tombantombana ihany koa ny hoe ny alatsinainy 9 janoary no atao ny fifampiarahaban’ny andrim-panjakana, saingy ity alarobia, tsy miverina, 11 janoary ity no daty nofinidin’ny mpikarakara eto anivon’ny fiadidiana ny fahefana avon’ny tetezamita. Tsy vao ela fa iray volana katroka lasa izay, dia ny 11 desambra 2011 no nankalazaina ny tsingerintaona voalohany nijoroan’ny Repoblika faha-4. Tsarona eto ihany koa fa tamin’ny volana faha-11 tamin’ny 2010 (17 novambra 2010) no nanaovana ny fitsapan-kevi-bahoaka nandaniana ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4. Dia lasa ny eritreritry ny maro manao hoe : mba daty, na tarehimarika manambina ny filohan’ny tetezamita Andry Nirina Rajoelina kosa angamba ity 11 ity, Sa ve mba fifandrifian-javatra fotsiny ihany e ?
Manampy izay dia misy zavatra tsy aritra faharoa ihany koa momba io daty io ihany, dia tsaroana eto ny 11 desambra 1895, namoahan’ny mpanjanatany Frantsay ny didim-pitondrana manafoana ny «fandroana» fomba amam-panao, teto Imerina nanajana ny mpanjaka sy ho fiarahabana azy nahatratra ny Asaramanitry ny taona vaovao. Amin’ny siansa momba ny tarehimarika na «numérologie» dia voalaza fa ny tarehimarika 11 dia miavaka, mitondra hery matanjaka sarotra fehezina, azo ambara hoe manana toetra hafahafa izay ny olona mitondra azy na ambiny aminy, ary matetika manana olana amin’ny resaka fifandraisana, ka mety hitondra fikorontanana amin’ny manodidina azy. Fifandrifian-javatra fotsiny ihany ve izany sa … ? Tsy misy mbola nahita ny tsiambaratelon’ny tarehimarika fa ny hany azo hamehezana azy dia ny hoe : lasa ny 77 dia tonga indray ny 11 !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.