Tsy Aritra

> Adin’ny kanosa


  • Alakamisy 09 Janoary 2014

Tsy tokony hohadinoina ny tena fototr’izao krizy izao, izay tsy araka ny tsaho sy fandemen-tsaina nezahana natao teto nanomboka tamin’ny 2008 fa fototra tena iorenan’ny hoavin’i Madagasikara mihitsy raha ny tena izy.

Mazava ny resaka fa tsy levon’ny vavonin’ny Frantsay mihitsy ny naha filoha an’i Marc Ravalomanana. Izy mantsy tsy anisan’ireo mpanao politika na mpandraharaha novolavolain’i Lafrantsa ka tsy azony nobaikona. Tena nijoro tsy azo nohozongozonina i Marc Ravalomanana ary izy no nanaitra ny hambom-pon’ny Malagasy mba tsy hanaiky hotsindrian’ny vazaha be menasofina lava izao. Hainy ny namadika ny nofinofiny ho lasa asa mivaingana, kapoakany ny resaka fifampiraharahana sy fitadiavam-bola, niaiky ny fahasahiany sy ny fahiratan-tsainy ny vahiny, eny fa na dia ny Frantsay aza. Nisongadina i Marc Ravalomanana raha noharina tamin’ny filoha Afrikanina maro. Efa nanomboka nanaitra ireo filoha Afrikanina ireo tamin’ny torimasony sy ny fiankinan-doha amin’ny Frantsay izy. Nisarika azy ireo mba hijery mpiara-miasa hafa fa tsy hanaiky hofetsen’ny mpanjanatany fahiny foana… Henjana ny fandresen-dahatra nataon’ny fitondrana Ravalomanana ka naneken’ny Afrikanina fa hotanterahana eto Antananarivo ny fihaonana an-tampony faha-13-n’ny vondrona Afrikanina. Vitany ny nanangana trano fivoriana anisan’ny goavana indrindra aty Afrika sy hotely kintana 5 mijoalajoala eo akaikiny.

Tena niha natanjaka teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Marc Ravalomanana ary efa nanomboka hita mivaingana ihany koa ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka sy ny asa fampandrosoana nataony teto Madagasikara niaraka tamin’ny Madagasikara Am-perinasa na MAP. Dia iny fa tonga amin’izay ny teti-dratsy hanonganana sady hamotehana azy. Izay io resaka io fa tsy misy ankoatr’izay ! Sira sy karibonetra ny ambiny natao fotsiny handemena ny sain’ny olona. Tsy nisy resaka hala-bato faobe manara-penitra natao mba hampandaniana ny kandidam-panjakana teto raha toa ka tsy nanohana kandida i Marc Ravalomanana. Efa ela no navela nody teto izy raha tena mitombina marina fa efa naloan’ny vahoaka izy. Raha tsy misy mpanohana intsony ve izy, na ohatra hoe vitsy dia vitsy sisa ny olona miara-dia aminy dia inona ary no olana amin’ny hiverenany eto ? Mampita ny fanilo any amin’i Dr Robinson Jean Louis i Dada dia io fa efa miainga indray ny fanosoram-potaka, fanaratsiana fampielezana vaovao tsy marina momba an-dradoko... izany ve tsy fomba fiadin’ny kanosa e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison FĂ©lix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT